💪🏻 Manana hery be dia be ianao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 💪🏻 Manana hery be dia be ianao !

Amin’ny mari-drefy 0 hatramin’ny 10, firy, aminao, ny haavon’ny herim-ponao ?
Iray amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly izay mampisy aingam-panahy ahy indrindra ny tantaran’I Gideona. Nampahory ny Israelita nandritra ny taona maro ny Midianita, rehefa niseho taminy ny anjelin’Andriamanitra.
Niafina tao anaty zohy i Gideona, ary nanozongozona ny varimbazaha mba tsy ho hitan’ny Midianita.
Eo anivon’izany toe-javatra misy faharesena, tahotra ary fanavotana aina izany dia hoy ny anjely taminy : “Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery” (Mpitsara 6:12).
Tsy isalasalana fa toa tsy be herim-po indrindra ny fihetsik’i Gideona, indrindra tamin’io fotoana io ! Raha ny marina dia namaly mihitsy aza Gideona nanao hoe ny fianakaviany no isan’ireo mahantra indrindra amin’ny foko misy azy, ary ho fanampin’izany dia farany amin’ny fianakaviany ihany izy.
Kanefa namerina taminy indray Andriamanitra nanao hoe : « Mandehana amin’izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin’ny tanan’ny Midiana »
Andriamanitra dia nahita mihoatra lavitra tao amin’i Gideona noho izay azon’ity farany nosainina ! Nieritreritra ny tenany ho kely loatra sy tsy ampy hery izy, fa hoy Andriamanitra taminy :

  • Mahery fo ianao.
  • Mahery loatra ianao ka hanavotra an’I Israely amin’ny herinao.
  • Ary homba anao Aho.

Ry namako, Andriamanitra dia mahita zavatra betsaka kokoa ao anatinao noho izay azonao sainina. Ianao kosa etsy andaniny mety mieritreritra hoe tsy ampy herim-po ianao, imbetsaka tsy nahomby tamin’ny sehatr’asa maro, tsy manan-danja, sns.
Saingy, milaza aminao Andriamanitra anio : « Tsy marina izany fa mahery ianao. Manana hery ianao ary noho ny Fanahy Masiko dia hanatanteraka zavatra goavana ianao. Miaraka aminao aho.”
Yeahhhh! Eny, anio, mitsangĂ na ary mandehana amin-kasahiana.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!