🙌🏻 Manana antony tsara hiankohofana Aminy ianao !
Mino ve ianao fa tsara Andriamanitra ? Tena mino izany ve ianao ?
Fantatsika rehetra ao an-tsaintsika fa tsara Andriamanitra, saingy indraindray tsy inoantsika amin’ny fontsika manontolo izany.
Efa nisalasala ny amin’izay ataon’Andriamanitra ve ianao, na nahatsiaro ho diso fanantenana Taminy ? Miezaka mamafy fisalasalana ao anatin’ny fontsika hatrany ny fahavalo. Tiany ny inoantsika fa tsy azo itokisana Andriamanitra, be aitraitra, tsy refesi-mandidy na tsy eo.
Izany rehetra izany dia mamaritra ny fahavalo ihany, fa tsy Andriamanitra ! Rehefa vitanao ny manala ireo lainga ireo ary mino ny fahatsaran’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo dia mipololotra avy ao am-ponao toy ny riaka ny fiderana,
Izany no niainan’ny vahoaka Israely. Iray amin’ireo hira tena nanamarika ny Israelita teo amin’ny taranaka maro mifandimby dia ilay nohirain’izy ireo tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jerosalema.
Milaza ny Baiboly fa samy nidera an’I Jehovah toy izao izy rehetra : « Miderà an’I Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony » (2 Tantara 5:13).
Niseho tamin-kery tokoa ny Fanatrehan’Andriamanitra rehefa nihira io hira io izy ireo ka voatery nivoaka ny tempoly. Tsy zakan’izy ireo ny voninahitra tahaka izany !
Nisy akony tokoa ny zavatra niainan’izy ireo ka afaka mbola mahita an’io hira io isika ao amin’ny andalan-teny maro ao amin’ny Baiboly.
Ry namako, rehefa miaiky ny fahatsaran’Andriamanitra ianao, dia feno ny Voninahiny ny fiainanao !
Eny, manana antony tsara hiderana sy hiankohofana amin’Andrimanitra ianao. Tsy ny manao izany noho ny tahotra, noho ny marimaritra iraisana na noho ny fahazarana, tsia ! Fa manompoa Azy satria tsara tokoa Izy ary mandrakizay ny famindrampony aminao. Tia anao Izy ary maniry ny tsara indrindra ho an’ny fiainanao !
Raha misy fisalasalana na dia kely fotsiny aza ao am-ponao, dia mamporisika anao aho, anio, hisafidy ny hino fa tena tsara Andriamanitra.
Anio, tsarovy ireo zava-tsarobidy rehetra nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ary omeo Voninahitra Izy noho ny fahatsarany mahagaga. Avelao ny Voninahiny sy ny Fifaliany hanondraka ny fiainanao !