❤️ Miresaka aminao mandritry ny fideranao Andriamanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ❤️ Miresaka aminao mandritry ny fideranao Andriamanitra !

Araky ny hevitrao, fiainana feno fiderana ve ny fiainanao?

Ny olona mihaino an’Andriamanitra sy maka fotoana hiderana Azy isan’andro dia olona:

  • Mankasitraka ireo fotoana samihafa eo amin’ny fiainany, satria mandray izany ho fanomezana avy amin’Andriamanitra.
  • Tsy mitaintaina rehefa mandalo toe-javatra sarotra satria fantany fa akaiky azy Andriamanitra.
  • Tsy mandray ratsy ny zava-miseho satria fiadanana no mameno ny fanahiny.
  • Manapa-kevitra amim-pahatokiana, satria mihaino ny sitrapon’Andriamanitra
    Toy izany ve ny fiainanao? Mihamanakaiky izany hatrany aho, saingy fantatro fa mbola misy ezaka tokony ataoko raha te hiaina tanteraka ny lafiny rehetra amin’ny fiainam-piderana aho.

Tena tiako ity andalana ity izay mahakasika an’i Lydia. Izao no voalaza:
« Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly. » (Asan’ny Apostoly 16:14).

Tiako ny fomba “nankalazain” i Lydia an’Andriamanitra. Tiako ny fony misokatra ho an’Andriamanitra sy ny fahazotony midera Azy. Noho izany, Andriamanitra dia afaka niresaka taminy tamin’ny alalan’ny hafatra nozarain’i Paoly, hafatra izay nanova lalina ny fiainany.

Ry namako, avelao ny fiderana hanokatra ny sainao amin’izay tian’Andriamanitra hambara aminao! Ny fiderana dia manomana ny fonao hihaino izay tian’Andriamanitra holazaina aminao, ary handray ny fitahiany ho an’ny fiainanao.

Anio dia te hiteny aminao sy hitahy ny fiainanao Andriamanitra.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!