🏠 Andriamanitra dia mitoetra ambonin’ny fiderana

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🏠 Andriamanitra dia mitoetra ambonin’ny fiderana

Nohariana mba hidera isika.
Raha ny momba ny fiderana, ny iray amin’ireo fehezanteny henoko matetika tao amin’ny fiangonako fony aho mbola kely dia izao: “Andriamanitra mitoetra ao amin’ny fideran’ny olony” (araka ny Salamo 22:4 ).
Nanontany tena foana aho, hoe inona no tena dikan’izany.
Noharian’Andriamanitra mba hiaina eo amin’ny Fanatrehany isika, eny na dia nahatonga fisarahana Taminy aza ny ota, ny fontsika dia mbola maniry ny hitoetra eo anilany mandrakariva.
Na dia tsy mahafantatra izany aza ireo izay tsy mino an’Andriamanitra dia manana izany faniriana lalina izany izy ao anatiny. Noho izany antony izany dia miezaka manome fahafaham-po izany filana izany amin’ny zavatra hafa izy ireo, nefa tsy afaka mahatsapa tena ho feno.
Ny fiderana ataontsika dia voamarika eny amin’ny habakabakin’ny lanitra. Hoy ny Baiboly: “Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; Hidera Anao mandrakariva izy.” ( Salamo 84:4 ).
Eny, noforonina hidera an’Andriamanitra mandrakizay isika. Tsy hankaleo mihitsy izany, ary tsy hahita anjely kely milalao miaraka amin’ny lokanga manodidina antsika =) Tsia, tena ahafinaritra tokoa izany!
Isaky ny midera an’Andriamanitra ianao dia manasa ny Fanatrehany hiseho amin’ny fiainanao amin-kery. Eny, izany no fomba hifandraisanao sy hanananao fo mitambatra Aminy. Tsy tsara ve izany? =)
Ry namako, ny fideranao marina no mitondra ny Lanitra ho ety an-tany! Anio, amin’ny alalan’ny fiderana, midira ao an-tranon’ny Rainao any an-danitra. Mifalia, sokafy Aminy ny fonao, ary misaora Azy noho ny zavatra rehetra nataony ho anao sy ny drafitra mahatalanjona momba ny fiainanao.
Anio, avelao ny Fanatrehany hanenika ny fonao sy hanova anao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!