đ Ny fitahian’ny manome sy mandray!
Olona miavaka i Bruno, ary ny tena mahafinaritra ahy aminy indrindra dia ny fony madio, tsara ary malala-tanana, tia an’Andriamanitra tanteraka.
Tsy mifankahita matetika izahay satria mifanalavitra ny toerana misy anay, fa ny tena nanaitra ahy foana dia isaky ny mifankahita izahay dia manana solosaina hafa foana izy!
Indray andro dia hitako aminâizay ny antony : hay i Bruno dia tia manome ny entany ho an’ny hafa foana. Rehefa mivavaka izy ka mahatsapa anâAndriamanitra mangataka azy hanampy olona na asa fanompoana iray, dia vonona ny hanome izay rehetra asehonâny Tompo azy izy, na solosainy, na vola, na famantaranandro, eny fa na dia ny fiarany aza!
Indraindray, mandritry ny herinandro maromaro dia tsy nanana solosaina izy satria nomeny olon-kafa ny azy.
Fa ny tena manaitra indrindra amin’izany rehetra izany dia isaky ny manao an’ireny dingan’ny finoana ireny izy, na ho ela na ho aingana, dia misy olona mipoitra tampoka avy any, tonga dia manome azy solosaina vaovao, na finday, na famantaranandro, sns. Ary matetika dia tsara lavitra noho ilay teo aloha ny kalitaony⊠Waouh! Ary izany koa dia mihatra amin’ny sehatra hafa rehetra eo amin’ny fiainany. Tena mahatalanjona izany!
Izaho koa dia efa niaina izany imbetsaka teo amin’ny fiainako ary afaka milaza aminao aho fa tsy hay hazavaina ny miaina azy. Hoy ny Baiboly : âMahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.â (Asanâny Apostoly 20:35). Tena sarobidy ny manome ny tsara indrindra ho anâny hafa. Ny fahafantarana fa fitahiana ho anâny hafa ianao dia tena fahatsapana sarobidy loatra!
Ary ankoatrâizany, dia tena mahavariana ny mahita ny valinâny fitahianâAndriamanitra antsika mihoatra noho izay eritreretintsika.
Ry namako, ny fahalalahan-tanana dia manokatra ny varavaran’ny lanitra ho an’ny fiainanao! Mamporisika anao aho mba hanararaotra ny fotoana rehetra omenâAndriamanitra anao mba hitahiana ny hafa, araka izay apetraky ny Tompo ao am-ponao. Tena fihetsika tsara izany, na ho anao na ho an’ny hafa!