🔆 Mandroaka ny haizina ny fahazavany !
Ny fahazavana dia isan’ireo singa fototra tokony hodinihina rehefa manaingo toerana iray.
Iray amin’ireo hiaka farany amin’ny haingontrano, raha ny momba ny jiro, dia ny fampiasana jiro LED izay azontsika baikoina amin’ny alalan’ny finday.
Tsy vitan’ny hoe azo arehitra na vonoina amin’ny alalana fitaovana mandehandeha izy ireny fa azontsika fehezina ihany koa ny hafanany, ny haavon’ny firehetany, eny na ny loko avoakany aza.
Amin’ny alalan’ny fitaovana toy izany, dia mora ny manamboatra ny hazavana tsirairay sy ny mamorona atmosfera samihafa isaky ny fotoana iray. Azo antoka fa mahafinaritra aoka izany izao ny hoe afaka manovaova loko sy mamorona « ambiansa » isan-karazany amin’ny alalan’ny fanindriana bokotra iray monja.
Ry namako, mampamiratra ny Fahazavany eo amin’ny fiainanao Andriamanitra. Ary ambonin’izany : mamiratra ao aminao Izy !
Izany no ambaran’ny Baiboly : « Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy. » (2 Korintiana 4:6) Eny :
- Mamiratra ao aminao Andriamanitra.
- Manilo anao Izy mba ahafahanao mamantatra misimisy kokoa ny Voninahiny.
- Afaka mitady misimisy kokoa ny Tavany ianao, ary amin’izany dia hanana fifandraisana lalina kokoa amin’I Jesosy.
Ry namako, na tsara na ratsy ny toe-javatra lalovanao, dia afaka manova rivo-piainana amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra ianao : dia ny mampifantoka ny masonao amin’i Jesosy izany.
Eny, hanenika ny fonao amin’ny Voninahiny anie ny fahazavan’Andriamanitra ary hanova ny zava-misy iainanao. Te hameno anao amin’ny Fifaliany, amin’ny Heriny ary amin’ny Fitahiany Izy. Te hamiratra ao aminao ary amin’ny alalanao Andriamanitra, anio ary mandrakizay !