Ny ady tsara ny finoana

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ny ady tsara ny finoana

Mahatsiaro ho toy ny miaina anaty ady lava ve ianao?
Indraindray isika dia mihevitra fa toy ny lalao baolina kitra ny ady eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanjakan’ny haizina. Toy ny hoe mandresy aloha ny ekipa iray dia afaka fotoana vitsy dia ny ekipa iray indray no misongadina.
Fantantsika fa efa nibata ny Fandresena Andriamanitra ary Mpandresy Izy. Saingy misy fotoana indraindray amin’ny fiainantsika dia toa mbola mandresy ihany ny fahavalo. Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no mahatonga izany ? Raha efa nandresy ny ady Jesosy dia nahoana isika mbola mandalo ady tsy tapaka eo amin’ny fiainantsika ?
Ry namako, mety mihevitra mihitsy aza ianao fa tafiditra ao anaty ady lalina izay mila hiadivanao amin’ ny herin’ny maizina fa raha ny marina dia tsy tokony ho izany ny fomba fijerintsika. Eny, anaty ady ianao fa miady ny ady tsara. Izany no antsoin’ny Apostoly hoe : « ny ady tsara ny finoana » (I Timoty 6 :12)
Te hanontany ahy angamba ianao hoe : « Fangaha ny ady afaka ny ho tsara ? » Manome toky anao aho fa tena marina izany noho ny antony maro :

  • Voalohany, satria efa resin’Andriamanitra io ady io.
  • Faharoa manaraka izany, satria ny fanalahidin’ny ady dia ao amin’ny finoana.
  • Ary fahatelo, satria tsy irery ianao amin’ny io ady io fa Andriamanitra mihintsy no miaraka aminao, eo anilanao.

Ny goavana indrindra amin’ny adinao dia tsy amin’ny devoly fa amin’ny tenanao ! Izany hoe ady amin’ny tsy fahatokisan’ny fonao, ny ahiahinao izay te hampino anao fa lehibe lavitra noho Andriamanitra ny olanao, na hoe Andriamanitra dia mety handao anao amin’ity indray mitoraka ity.
Ry namako, mitsangàna am-pinoana manoloana ireo fanafihan’ny herin’ny maizina eo amin’ny fiainanao. Mifikira mafy amin’Andriamanitra amin’ny herinao rehetra, am-pinoana sy am-pahatokiana ireo teny fikasany ho an’ny fiainanao, ho an’ny ankohonanao, ary ho an’i Madagasikara. Na inona na inona mitranga eo anoloanao, tohero amim-pinoana ny devoly, dia handositra anao izy ! (araka ny Jakoba 4 :7 sy I Petera 5 :9)
Manoatra noho ny Mpandresy ianao ao Aminy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!