🕵🏻‍♀️Mampitaha tena amin’iza ianao ?
Anisan’ny olana lehibe hiainantsika ny fifampitahà na.
Mandany andro be amin’ny fampitahà na ny fiainantsika amin’ny hafa isika : mampitaha ny hatsaran’ny vatana, ny hery, ny fahaizana, izay ananantsika…Ny zavatra rehetra !
Misy zavatra izay manosika antsika ho te ho tsara indrindra, manam-pahaizana indrindra, malaky indrindra, manan-karena indrindra, … “ny indrindra” amin’ny zavatra rehetra.
Ny fampitahà na, dia zavatra ratsy, izay hitondra anao amin’ny faharesena hatrany. Na mahatsapa ho ambony na ihany koa ambany mihoatra ny hafa ianao, na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany dia hahatsapa fihetseham-po tsy mahasoa, izay tsy antom-pisianao ianao.
Ny fampitahĂ na dia manosika anao mba :
- Tsy hankafia izay anananao.
- Hanome lanja be izay tsy mbola anananao.
- Hahatsapanao henatra.
- Hampihebohebo anao.
- Hitoky tena fatratra.
Hoy ny fitenenana : “manjaka ny toka-maso eo anivon’ireo jamba”. Kanefa, na dia jamba avokoa aza ny manodidina ahy, izaho kosa tsy te ho jamba velively : te ahita amin’ny masoko roa aho !
Ny Baiboly milaza : “ Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona” (Kolosiana 3:23).
Ny fanalahidy dia ny manome izay tsara indrindra hatrany avy aty amintsika ho an’Andriamanitra, sy amin’ny lafiny rehetra, tsy miankina amin’izay ataon’ny hafa, na izay lazainy na izay ananany. Izany toetra izany no ahafahana mandroso sy misitraka ny fitahian’Andriamanitra eo amin’izay ataontsika rehetra.
Manantena aho sady mivavaka manokana mba ho tonga eny amin’ny kandida milatsaka ho fidiana manaraka izao ity hafatra anio ity sy ho an’ireo ekipany tsirairay avy. Samy nomen’Andriamanitra zavatra miavaka isika, aza mampitaha ny tenanareo amin’ny hafa ary aza manambany ny hafa ihany koa. Raha mahita izany ianao, dia omeo lanja ary omeo voninahitra Andriamanitra.
Eny, ry namako, enga anie mba ianao ihany no hany tokana anaovanao fampitahà na ny tenanao, mba ahafahanao mihatsara miandalana isan’andro ! Mivavaka ho anao aho, mba ahatonga anao ho afaka amin’ny fampitahà na ary koa ahafahana misitraka feno izay efa nomanin’Andriamanitra ho anao.
Ry namako, tia anao amin’ny fomba tsy manam-paharoa Andriamanitra.