📕 Aza tsaraina amin’ny fonosany ny boky !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 📕 Aza tsaraina amin’ny fonosany ny boky !

Ianao koa ve mitsara ny boky amin’ny fahitanao ny fonosany ? Izaho, dia tena manao izany lalandava !

Izaho dia olona tia mandinika amin’ny maso. Izaho dia tena liana amin’ny famoronana sary, sy ny famolavolana pejy ary ny famoronan-dahatsoratra.

Noho izany antony izany, dia mandeha ho azy , rehefa misy boky voarain’ny tanako, dia ny mijery ny fonosany no ataoko voalohany indrindra.

Ary, mampalahelo fa, raha diso safidy eo amin’ny firindran’ny loko, ny ahabe, ny endri-tsoratra, sns. Dia tena kely ny vintana hamakiako io boky io ! =)

Ny tena marina, dia fahadisoana izany : ny fanalahidin’ny boky iray dia tsy eo amin’ny fonosany, fa ao anatiny. Sady, imbetsaka aho, no nanomboka namaky boky ratsy fonosana, kanefa ny votoatony dia tena tsara. Efa tojo izany koa ve ianao ?

Amin’ny maha olombelona, dia mora ny mitsara zavatra na olona amin’ny endrika ivelany. Mamorona sary an-tsaina diso ny aminy, ary ampitaintsika aminy, ny hevitra izay antsika manokana sy izay antenaintsika, kanefa tsy mahafantatra ny tena momba azy akory isika. Fa araka ny fitenenana hoe “fitaka ny endrika ivelany”. Mampieritreritra ahy manokana izany amin’izao fihazakazahan’ny kandida hilatsaka ho filoham-pirenena izao…. Mety efa manana safidy ihany koa ianao ny amin’izany, fa mijere arak’izay ambaran’i Jesosy mahakasika izany….

Jesosy mihitsy no nilaza hoe : “Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.” (Jaona 7:24). Matetika, isika dia mijanona eo amin’ny endrika ivelany, ka tsy mahita ny harena miafina ao amin’ny olona manodidina antsika.

Tsy mahasoa antsika, ary vao may ratsy ho an’ny hafa, satria tsy mila ny fitsarantsika izy ireo, fa kosa mila ny fitiavana sy ny fahazavan-tsaina avy amintsika.

Ry namako, mijere mihoatra alavitry ny fonosana ! Maka fotoana hamakivakiana ireo pejin’ny fiainan’ny olona manodidina anao, mba hahafahana mamantatra ny tena ao anatin’izy ireo.

Raha toa, amin’ny fotoana iray, misafidy ny hanakatona sy “hamadika ny pejy” isika, mivavaka aho mba ho azontsika fa tsy natao ho antsika io fifandraisana io, ary fotoana tokony hanajanonana izany, no antony.

Anio, mivavaka aho mba homen’ny Tompo fahaiza-manavaka ianao amin’ity tontolo andro ity, mba hanampiany anao hanana fanapahan-kevitra tsara, indrindra amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!