✅ Misy ny vahaolana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ✅ Misy ny vahaolana !

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe feno olana be dia be ka mahatsapa hoe mitady hipoaka izany? Indraindray ny fiainantsika dia feno zavatra tahaka izany, ka toa mila tsy zakantsika intsony.
Azoko tsara ny fahatsapana ny fihetseham-po tahaka izany. Nandritra ny taona aho, dia nandalo ratram-po sy toe-javatra izay tsy ho voalazako anao. Saingy niaraka tamin’izany, teo anivon’izany rehetra izany, dia niaina ny fitahian’Andriamanitra aho, ary afaka nahita ny fomba nanovan’ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga ireo toe-javatra tsirairay ireo.
Matetika Izy no miasa ao anatin’ny minitra vitsy, na mandritra ny andro maromaro, ary indraindray volana maromaro aty aoriana. Fa isaky ny atolotro Azy ny olana dia tsapako avy hatrany ny tanany, ny fiadanany, ny fifaliany… Ary ny farany dia hitako foana ny vahaolana avy Aminy =)
Nandalo fitsapana maro koa i Davida Mpanjaka nandritra ny androm-piainany. Hoy izy teo amin’ny faran’ny Salamo faha-34: “Maro ny fahorian’ny marina; Nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19). Andeha hojerentsika izay lazainy:

  • Matetika isika no tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra. Eny, izany tokoa no izy. Tsy indray mandeha izany, fa “matetika”… ary indrindra indrindra, rehefa te hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika. Fa, misaotra an’Andriamanitra fa misy ilay teny hoe « Nefa » =)
  • Andriamanitra dia hanafaka antsika amin’izany. Tsy hisy fahoriana na dia iray aza tavela izay tsy hanafahan’Andriamanitra antsika. Tsy misy lehibe loatra ho an’Andriamanitra, raha toa ka manolotra izany tanteraka Aminy isika.

Ry namako, manana vahaolana amin’ny olanao tsirairay Andriamanitra! Manana vahaolana ho an’i Madagasikara Andriamanitra, manana vahaolana ho an’ny Malagasy rehetra Andriamanitra, manana vahaolana ho an’ny tokantrano tsirairay Andriamanitra, manana vahaolana amin’izao toe-javatra iainanao izao Andriamanitra, manana vahaolana ho an’ny fahasalamanao, ho an’ny famatsiana, ho an’io fifandraisana rava io Andriamanitra.…. Anio, atolory Azy ny fahorianao rehetra, atolory Azy ny fanahianao, ary aoka Izy no hameno anao amin’ny fifaliany sy ny fiadanany fen
Mifikira amin’ny Tompo amin’ny finoana dia ho hitanao ny fanafoanany ireo rehetra ireo eo amin’ny fiainanao, amin’ny fotoana iray, io fahasahiranana io, io olana io, io fanafihan’ny fahavalo tsy mitsahatra manohitra anao io.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!