đź‘€ Hitanao ve?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘€ Hitanao ve?

Heritreretinao ve hoe mahita anao Andriamanitra?
Tsaroako indray maraina, tamin’ilay vao nifoha iny, mbola tsy azoko izay hanjo ahy. Tao anatin’ny fotoana sarotra be teo amin’ny fiainako aho, ary tsy fantatro izay hitranga na izay tokony hataoko.
Raha mbola teo amin’ny fotoana fitokanana maraina aho dia nanana hevitra ny hanao zavatra tsy mbola nataoko mihitsy: handeha hamaky ny andininy mihantona eo amin’ny “calendrier” eo amin’ny rindrina ao amin’ny efitranoko. Hoy ilay andinin-teny: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lĂ lan-kalehanao Aho; Hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8 ).
Teo ampamakina an’io andalan-tSoratra Masina io aho dia gina tsy nahateny. Na dia nangatsiaka aza ny andro tamin’io marainan’ny ririnina io dia tena nahatsapa aho fa niteny tamiko Andriamanitra fa hitarika ahy amin’ny lalana tokony haleha Izy. Ary fantatrao hoe inona no tena nanohina ahy indrindra? Ilay teny fikasana milaza fa mijery ahy Andriamanitra.
Nahazo toky aho fa tsy vahiny Taminy aho, ary tsy nanadino ahy Izy. Fantany tsara ny toerana nisy ahy, ary efa nanana drafitra natao hanampiana ahy hiala amin’izany toe-javatra izany Izy. Waouh!
Hoy ny Salamo 34: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” (Salamo 34:15).
Eny, ry namako, miambina anao Andriamanitra! Tsy vahiny Aminy ianao fa fantany amin’ny anaranao. Henony ny fonao ary efa nanomana drafitra feno fitahiana ho an’ny fiainanao Izy, mba hahafahanao miaina izany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!