đź“– Fantatrao ve ny Salamo faha-34?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź“– Fantatrao ve ny Salamo faha-34?

Ny Salamo faha-34 dia iray amin’ireo Salamo malaza indrindra ao amin’ny Baiboly. Fantatrao ve? Mety tsy tadidinao ny ao anatin’ny toko 34, nefa azoko antoka fa maro amin’ireo andininy ireo no mahazatra anao.
Nanoratra an’io Salamo io i Davida Mpanjaka, taoriana kelin’ny nahitany ny fiarovan’Andriamanitra teo amin’ny fiainany.
Afaka nandositra ary velon’aina teo an-tanan’i Akisy Mpanjaka izy, ary feno fankasitrahana, ka nanomboka ny Salamo tamin’ny soratra hoe: “Hisaotra an’i Jehovah mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.” ( Salamo 34:1). Dinio ny tian’ity andininy ity lazaina:

  • Hisaotra an’Andriamanitra aho. Fanapahan-kevitra izany, zavatra nokasaiko hatao. “Hisaotra”, “hilaza fahatsarana” an’Andriamanitra aho, izany hoe manonona ny fahatsarany eo amin’ny fiainako.
  • Isan’andro. Na amin’ny fotoana mora na sarotra, rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra na toa tsy mety ny zava-drehetra: Hanana izany toe-tsaina feno fankasitrahana izany foana aho, dia ny fahatokiana an’Andriamanitra mba hankalazana ny Anarany.
  • Hidera an’Andriamanitra tsy an-kijanona aho. Amin’ny toe-javatra rehetra, na inona na inona, ny fiderana sy ny fisaorana an’Andriamanitra dia hipololotra hatrany eo amin’ny molotro.


Kanto e, sa tsy izany? Tsy voatana ny tsy nidera an’Andriamanitra i Davida Mpanjaka rehefa nahita Azy niasa teo amin’ny fiainany.
Ry namako, ny fiderana ataonao dia manokatra ny varavaran’ny lanitra ho an’ny fiainanao. Arakaraka ny isaoranao sy hideranao an’i Jehovah no vao mainka hitanao fa miasa amin’ny fomba tsy mampino eo amin’ny fiainanao ny tanan’Andriamanitra miaro anao.
Ny Salamo faha-34 dia miresaka manokana momba ny fiarovan’Andriamanitra ny fiainanao.

“Tompo ô, misaotra Anao amin’izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainanay, sy noho ny fiarovanao mahagaga. Mivavaka ho an’ity namako ity aho, mba ho tsapany ny hafalianao sy ny hetaheta hidera sy hisaotra Anao, na dia ao anatin’izao tafio-drivotra izay lalovany eo amin’ny fiainany izao aza. Anao ny voninahitra rehetra! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen!”

Mifalia ao amin’Andriamanitra anio.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!