đŸ„˜ Navelanao ambonin’ny afo ny vilany !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đŸ„˜ Navelanao ambonin’ny afo ny vilany !

Efa nahita fanamasahana sakafo ve ianao? Anisan’ny mampiavaka ny vilany “cocotte-minute” dia ilay feony mitsifitra rehefa eo ambonin’ny afo izy.

Ny fiainantsika dia tahaka ny “cocotte-minute”. Manoloana ny afon’ny olana, dia mikorontana ny ao anatintsika, ary henontsika miakatra ny tsindry ao anaty. Tsy fantatro ny aminao, fa raha ho ahy, dia tsy sary fotsiny izany ohatra izany. Indraindray aho dia mahatsapa izany tsindry izany ao amin’ny tratrako, indrindra fa rehefa tsy maintsy hiatrika olana goavana aho.

Dia tahaka ny “cocotte-minute”, mila avoakantsika tsikelikely izany tsindry izany, ilay fiasan-tsaina ao anatintsika. Ahoana ny hanaovana izany? Manana safidy maro isika, afaka tezitra, mitaraina, mitomany, miresaka amin’olona isika
. Marina fa ireo teknika rehetra ireo dia afaka manampy antsika mba ho maivana kokoa amin’izay fotoana izay. Fa raha ny marina, fomba iray ihany no tena mandaitra : mametraka amin’Andriamanitra izany tsindry izany.

Ny Baiboly dia milaza : “ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7) Mampahery antsika ihany koa Andriamanitra amin’ity andian-tsoratra masina ity : “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6-7)

Raha mahatsiaro fa manana fanahiana matetika ianao, dia aza avela hiangona ao anatinao izany fanahiana izany mandra-pipaoka azy : Apetraho amin’i Jesosy izany. Resaho ao anaty vavaka Izy, esory aminao izany mavesatra izany, avotsory ho eo an-Tongony ny fanahianao rehetra ary minoa fa hiasa eo amin’izany trangan-javatra izany Izy. Fantatrao ve ny hitranga avy eo? Hanomboka ho henonao tsikelikely ao anatin’ny minitra fohy ny Fiadanany mamy izay hampahery anao indray.

Eny ry namako, avelao Andriamanitra hanala ny fanahiana eo amin’ny fiainanao anio mba hanomezany anao ny Fiadanany izay sarobidy indrindra. Fampanantenana afaka ampiasainao izany. Te hino izany ve ianao ka hanao izany ho anao ?

Anio ary, hampandositra ny fanahianao anie ny Fiadanany !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!