👍🏻 Apetraho izany aloha…
Efa nisy nilaza taminao fa hanampy anao ve tamin’ny sehatra izay mbola tsy sahinao akory?
Tadidiko aho tamin’ny vao nihaona tamin’ny Tompo tamin’izaho 15 taona, nandalo dingana amin’ny fitomboana aho izay nahatonga ahy afaka tamina fiheveran-tena diso maro sy tahotra anaty. Indray andro tao anatin’izany dingana izany, nanontany ahy ny mpiandraikitrin’ny fivondronan’ny tanora tao am-piangonana raha afaka mitarika ny fivoriam-bavaky ny tanora aho, izay misy isaky ny talata ao am-piangonana.
Nanaiky izany fanamby izany aho. Raha ny marina, tsy haiko mihitsy hoe ahoana ny fandehany ao tamin’ny andro voloahany… fa fantako hoe tsy afaka ny handeha any aho sady hieritreritra ny olako. Nanapa-kevitra aho noho izany ny hametraka ny olako aloha, ary hifantoka amin’ny fomba hanampiako ny hafa araka izay vitako. Nianatra tsikelikely aho noho izany, ny tsy hifantoka amiko irery, ny zava-misy sy ny olako, mba hahafahako mitahy ny hafa. Niteraka fiovana lehibe teo amin’ny fiainako io traikefa io!
Jesosy dia nilaza ao amin’ny Baiboly ; “Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.” (Lioka 12.31)
Ry namako, rehefa tototry ny olana ianao, apetraho izany ary mifantoha amin’ny fomba hanompoana an’Andriamanitra sy ny hafa. Hanampy anao ho afaka amin’ny adin-tsaina izay mampahory anao izany ary hamela ny fitahian’Andriamanitra hamelombelona anao indray. Fantany ny ilainao, ary raha hisafidy ny hifantoka amin’ny Fanjakany sy Aminy ianao, dia hikarakaraka ny ambiny Izy.
Hivavaka isika ; “Tompo o, misaotra ny amin’ny Fitiavanao sy ireo rehetra ataonao ho ahy. Ampio aho isan’andro mba hametraka ny olako Aminao mba hifantohako Aminao, amin’ny Fanjakanao sy ny fomba hitahiana ny olona manodidina ahy. Tariho aho amin’ny zavatra rehetra, ary ampio aho mba hitady Anao mihoatra ny zavatra rehetra. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen!”
Aoka ho velombelona ao amin’ny Fanatrehany ianao anio.