🍍 Inona ny voankazonao?
Inona no voankazo tianao indrindra? Amiko manokana dia voankazo roa no ankafiziko indrindra : ny akondro sy ny paoma, na dia fantatro aza fa mbola betsaka ny voankazo maro hafa azo andramana.
Noforonin’Andriamanitra isika mba hamoa eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, indrindra amin’ny ara- panahy. Tiany ho feno ny fifaliany ny fiainanao, ny fitiavany, ny fiadanany… mba ahafahany mitahy ny hafa amin’ny alalanao. Izany indrindra no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany: “ Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo..” ( Jaona 15:8 ).
Ao amin’ny fanoharana momba ny mpamafy, Jesosy dia miresaka momba ny fon’ny olona sasany: izay namafazana ny Teny teo amin’ny tany feno tsilo. Rehefa izany no zava-misy, dia hoy ny Baiboly: “ Fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.” ( Marka 4:19).
Diniho tsara izay lazain’ity andalan-tsoratra masina ity: toy ny tsilo manakana antsika tsy hamoa ny fiahiahiana sy ny fanahiana ny tontolo manodidina antsika. Ohatra, ny adin-tsaina dia manakana anao tsy hamoa voa tsara, fa ankoatr’izany, dia mahavita mamoaka ny ratsy indrindra ao anatinao.
Ry namako, esory ny tsilo amin’ny fiainanao anio! Esory ao an-tsainao izay miteraka adin-tsaina sy manakana anao tsy haneho tanteraka ny toetranao vaovao ao amin’i Kristy.
Te hivavaka ve ianao? “Tompo ô, tiako ny fiainako mba hamoa mandrakariva izay ankasitrahanao, ary ho fitahiana ho an’izay rehetra manodidina ahy. Ampio aho hanala ireo fanahiana rehetra izay manakana ahy, ary hitoetra ho feno ny Fanatrehanao sy ny fitahianao mandrakariva. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen!”