🎻 Inona no hovainao?
Raha afaka manova zavatra iray amin’ny fiainanao ianao, inona no hovainao?
Misy zavatra maromaro tokoa tiako hovaina… Fa tsoriko aminao fa mba te ho lava kokoa ara-batana aho. Afaka manao fanazaran-tena misimisy aho hanatsarana ny toe-batako sy ny fahasalamako. Afaka mandranto fianarana vaovao koa aho, na mianatra fiteny vaovao… Izany zavatra rehetra izany dia azo tanterahana ary miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitro sy ny ezaka ataoko. Fa amin’ny maha-olombelona, dia tsy afaka hanao na inona na inona mihitsy aho mba hampahalava ahy kokoa. Ary ny fitomboako dia efa tapitra taona maro lasa izay =).
Ny fiasana saina na fiahiahiana amin’izany dia tsy hitondra na inona na inona ho ahy, satria izany fiasana saina izany dia tsy hampitombo ahy ara-batana. Izany mihitsy no nolazain’i Jesosy an’ny mpianany : “Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny halavany, na dia kely monja aza?” (Lioka 12.25) Ny fandikan-teny anankiray dia milaza : “Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?” (Lioka 12.25)
Eny ry namako, ny fanahiana sy ny fiasan-tsaina dia tena tsy misy ilana azy eo amin’ny fiainantsika. Ny fiasan-tsaina tokoa dia tsy hampahalava antsika izany, na hanampy ny andro hiainantsika eto an-tany. Ny fiasan-tsaina dia tsy hanampy antsika mihitsy amin’ny famahana ny olantsika. Mifanohitra amin’izany aza, raha miasa saina isika, dia milentika misimisy ao anatin’ny olantsika, ary izany dia handany ny fotoanantsika fotsiny.
Te hangataka amin’Andriamanitra ve ianao mba hanala anao ao anatin’ny adin-tsaina Izy? Hivavaka isika : “Tompo o, misaotra fa miaraka aminay Ianao ary mikarakara ny fiainanay. Mamela anay ny amin’ireo fotoana izay niahianay sy niasanay saina ny amin’ny olana eo amin’ny fiainanay. Tsy te hijanona ao anatin’ny ahiahy izahay, fa te hisafidy ny hiaina ao amin’ny Fiadananao, sy ny Fifalianao. Eny, amin’ny finoana, te hifikitra amin’ny teny fampanantenanao izahay. Misaotra Ray ny amin’ny zavatra ataonao eo amin’ny fiainanay sy ny amin’ny fanampianao anay hitombo isan’andro ao Aminao! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen!”
Anio dia afaka manao veloma ny adin-tsaina eo amin’ny fiainanao ianao.