Inona ny ranomanitra hanaovanao?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Inona ny ranomanitra hanaovanao?

Mandeha fiara fitateram-bahoaka amin’ny ora fitohanana ve ianao indraindray?

Tamin’izaho mbola mpianatra dia mandray bus aho rehefa handeha hianatra any amin’ny oniversite. Feno olona eny an-dalana ary hipoka daholo ny fiara fitaterana. Ary satria mifanesika be ao anaty fiara dia mora henoko ny fofona ranomanitran’ny olona eo akaikiko.

Eny, mifanakaiky daholo ny tsirairay ary amin’ny ankapobeny dia henoko mora foana ny ranomanitra an’ireo olona teo akaikiko. Saingy, indraindray ny sasany tamin’ireo mpandeha mipetraka teo akaikiko dia misy manadino manao alamo… =)

Raha ny marina, dia toy izany koa isika rehefa miresaka. Mandritra ny tontolo andro dia miaina ny fofona azo avy amin’ny resaka hifanaovantsika isika. Indraindray dia misy fifandraisana mamerovevero ny fofon’ny lanitra mamelombelona antsika…
Saingy misy fotoana dia tsy maintsy miaritra ny fofona ratsin’ireo fanehoan-kevitra mahasorena sy tsy mahafinaritra avy amin’ny manodidina antsika isika.

Ary indrisy fa amin’ireny fotoana ireny koa no mora mivily lalana, ka miteny zavatra tsy tokony ho tenenina, mba ho tsara eo imason’ny hafa isika.

Ny Baiboly dia milaza hoe : « Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra. » (Kolosiana 4 :6)

Eny, ry namako, isika no fanasin’ny tany, ka noho izany dia tokony hisy io sira io koa ny teny aloaky ny vavantsika ! Saintsaino izany rehefa miresaka amin’ny hafa ianao. Avelao izy ireo hifoka ny hanitr’Andriamanitra amin’ny alalan ‘ny fiainanao. Avelao izy ireo hanandrana ny Fahasoavany amin’ny teninao. Indrindra amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenentsika izao. Aoka isika hampita mandrakariva ny hafatry ny fiadanana mba handray izany ny manodidina antsika.

Aoka ho hita taratra amin’ny teninao ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy rehefa miresaka momba an’i Jesosy amin’ny hafa ianao. Izany no hahatonga ny teninao hanana tsiro masira manova ny fiainan’ny olona.

Aoka isika hiara-hivavaka : « Tompo ô, misaotra Anao aho amin’izay ataonao eo amin’ny fiainanay. Tariho izahay mba ho voamariky ny fitiavanao sy ny fahasoavanao ny resakay. Tianay hampifaly Anao ny fomba famalianay ny hafa. Ataovy hentitra izahay amin’ny fanapahan-kevitray mba tsy hisy fanakianana, tsy hisy lainga tsy misy fitarainana, tsy misy teny tsy marina amin’ny fiainanay.Tompo ô, diovy ny molotro sy ny tanako mba ho feno Anao ny teniko sy ny ataoko rehetra. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!