đź—ŁAza mivazavaza !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź—ŁAza mivazavaza !

Efa nanomboka resaka izay niafara tamin’ny kiakiaka ve ianao ?

Tadidiko tamin’izaho mbola tanora. Efa nino an’Andriamanitra aho tamin’izany fotoana, fa mbola tsy nanana fihaonana manokana tamin’i Jesosy. Kanefa rehefa misy olona miteny ratsy momba an’Andriamanitra na ny finoana krisitianina dia nanohina ahy izany.

Indray andro, nisy namako iray tao amin’ny lisea nanomboka nametra-panontaniana ny amin’ny fisian’Andriamanitra teo anatrehan’ny hafa, tao anatin’ny vondron’asa. Tsy maintsy niady hevitra taminy aho ary somary navesatra ny atmosfera. Samy niezaka izaho sy izy hihoatra ny iray mba handresy ilay “ady amin’ny teny” nangotraka. Tena nasiaka ny teninay, niaraka tamin’ny fanevatevana sy fitenenan-dratsy.

Misy zavatra iray nanalany baraka ahy tamin’io andro io izay nanamarika ahy hatramin’ny androany. Hoy izy tamiko : “Andray, Kristianina ianao, nefa tena mitenin-dratsy be!” Ary tena marina izany. Ny fiteniko sy ny fomba filazako zavatra tamin’izany dia tsy dia tsara loatra. Misaotra an’Andriamanitra aho fa novainy izany !

Volana vitsivitsy taty aoriana, rehefa nanolotra ny fiainako manontolo ho an’i Jesosy aho, dia anisan’ny zavatra voalohany izay navaoziny teo amin’ny fiainako ny fiteniko sy ny fomba firesako amin’ny hafa. Naniry mafy aho mba ho tena madio ny teniko ary ho feno hatsaram-panahy !

Ry Namako, tianao koa ve Andriamanitra hanavao ny fomba firesakao amin’ny familiana anao hiala amin’izay mandoto ny teninao? Ao anatin’ny fo ny fanalahidy. Ny Baiboly dia milaza “fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” (Lioka 6.45). Niova ny teniko satria niova ny foko.

Mangataha amin’ny Tompo mba hanampy anao Izy amin’ny fanalana izay rehetra tsy avy Aminy ao anatin’ny fonao, ary mba hofenoiny ny Fitiavany rehefa miresaka ianao. Amin’izany dia afaka hiaro ny vavanao hadio ianao, araka ny voalazan’ity andinin-tsoratra masina ity : “ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.” (Titosy 2.8)

Araraoty ny hatsaran’ity andro vaovao izay nomen’Andriamanitra anao ity.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!