🔊 Inona no ambaranao ?
Efa nandinika ny herin’ny zavatra ambaranao amin’ny fiainanao ve ianao, na tsara izany na ratsy ?
Araka ny fikarohana maro natao teny amina toeram-pianarana nandritra ny taonjato faha-20, dia mahazo naoty tsaratsara kokoa ireo ankizy izay mahatsapa fa matoky azy ny Ray aman-dreniny sy ny mpampianatra azy. Mamporisika azy ireo hino ny fahaizany manokana sy hanao izay fara heriny ny teny sy ny fihetsika miabo ataon’izy ireo.
Indrisy anefa fa marina ihany koa ny mifanohitra amin’izay. Amin’ny fotoanan’ny fahatezerana dia matetika ny ray aman-dreny no miteny amin’izy ireo mafy toy ny hoe: “Tsy misy dikany ianao”, “Tsy misy saina ianao “, na zavatra mitovy amin’izany … Manambany ny fiheveran-tenany izany teny izany ary mahatonga azy ireo hieritreritra ao anatiny fa tsy misy ilana azy amin’ireny sehatra ireny, fa vendrana izy ary tsy misy vidiny…
Mety hahazo antsika ihany koa izany rehefa manomboka miteny zavatra toy ny hoe : « tsy mahay an’io aho », « hahafaty ahy ity aretina ity » na « Vendrana aho » isika. Na tonga saina amin’izany isika na tsia dia manomboka mino ireny ary manokatra varavarana ara-panahy amin’ny fiainantsika mba hitrangany.
Ny Bokin’ny Ohabolana dia manambara fa « Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. » (Ohabolana 18:21). Ny teny tsirairay izay tononintsika dia manana hery lehibe, na ho an’ny fiainantsika na ho an’ireo manodidina antsika. Ny fanambarana tsirairay ataontsika, na ho an’ny fiainantsika na ho an’ny fiainan’ny hafa, dia manana hery mamotsotra fiainana na fahafatesana, mitsodrano na manozona.
Ry namako, ho fifaliana ho an’Andriamanitra, ho an’ny fiainanao ary ho an’ny manodidina anao anie ny vokatry ny molotrao ! Ho feno fiainana sy tso-drano ary fiadanan’ny Tompo anie ny teny sy ny zavatra ambaran’ny molotrao androany !
Mitondra anao am-bavaka sy ato am-poko aho.