🌍 Tamin’ny voalohany…
« Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany… » Mampahatsiahy zavatra anao ve io andinin-tsoratra io ? Io no andininy voalohany ao amin’ny Baiboly.
Mahavariana ny zavaboaarin’Andriamanitra, fa ny mahavariana kokoa noho izany dia ny fomba nahariany ny zavatra rehetra. Mampianatra antsika ny Baiboly fa nilaza Andriamanitra hoe : “Misia ny mazava”, dia nisy ny mazava.
Nomeny anarana ny zavatra tsirairay avy ary rehefa nanome baiko izy dia nankatò ny Toromariny ny voaary rehetra.
Mazava ho azy, misy refy maro isan-karazany momba ny Fahendren’Andriamanitra izay mihoatra ny fahatakarantsika tanteraka. Saingy, ny teboka tiako hamafisina miaraka aminao, dia ny hoe ny Teniny no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Mahaforona ny Tenin’Andriamanitra. « Miantso ny tsy misy ho toy ny misy Izy » (Romana 4:17). Ary izaho sy ianao, satria isika no zavaboaariny tsara indrindra, dia manana ny fahaizana miteny sy mampiasa ny feontsika ihany koa isika.
Sahala amin’Andriamanitra, dia manana hery lehibe koa ny tenintsika ! Amin’ny alalan’ny tenintsika dia afaka manaiky na mandà ny famonjena isika, mi-tsodrano na manozona ireo manodidina antsika, manonona fahamarinana na miaina anaty lainga.
Mandritra ny andro vitsivitsy dia hojerentsika ny hery ananan’ny tenintsika. Hozaraiko aminao ireo fanalahidy hanampy anao hiteny amim-pahendrena, mba ho fitahiana ho anao sy ny manodidina anao ny fiainanao.
Hivavaka isika : “Tompo o ! Misaotra ny amin’izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainanay ! Mangataka Aminao aho mba hanampy anay ka hahafaly anao ny teninay rehetra Tompo o ! Mamelà ny teny tsirairay izay mivoaka ny vavanay ho tonga fitahiana ho an’ny hafa. Ampio izahay hianatra sy hampihatra ireo fanalahidy izay Homenao anay, mba hitomboanay hatrany ao Aminao. Amin’ny Anaran’I Jesosy. Amen !”
Sarobidy amin’Andriamanitra ianao !