đź‘€Mino mba hahita !
Azoko antoka fa efa imbetsaka ianao no naheno ilay fomba fiteny hoe : « raha tsy hitako, tsy mino aho ». Tsy fantatro izay namorona izany fehezanteny izany, fa mieritreritra aho hoe aingam-panahy avy amin’i Tomasy izany, ilay mpianatra nila nahita vao nino.
Tena nanana toe-tsaina tsy ampy finoana i Tomasy. Mety ho nampihomehy anao ny fihetsiny e ? Izaho manokana mieritreritra hoe isika rehetra, amin’ny fotoana sasantsasany, dia mitovy amin’i Tomasy : raha mbola tsy mahita amin’ny masontsika mihitsy isika, raha mbola tsy mahazo ilay valiny andrasantsika fatratra avy amin’Andriamanitra isika, dia mitazona fisalasalana sy tsy fatokisana…
Hoy Jesosy tamin’i Tomasy nony farany : « Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino ! » (Jaona 20 :29). Ry namako, fitahiana lehibe no mifamatotra amin’ny fiainantsika rehefa mino isika nefa tsy nahita.
Raha ny marina dia izany mihitsy no famaritana ny finoana : « fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita » (Hebreo 11:1).
Izany finoana mifaly ao amin’i Kristy sy ny Fampanantenany, mialoha ny hahitana zavatra azo tsapain-tà nana izany, no manokatra ny varavaran’ny Lanitra eo amin’ny fiainantsika. Imbetsaka niaina izany aho tamin’ny fiainako, ary tsy misy ny tahaka izany !
Ry namako, aza miandry mahita vao mino : minoa dia hahita ianao ! Androany, te hamporisika anao aho hahita fa tena marina ny vavakao ! Noho izany, efa afaka mifaly ao amin’Andriamanitra ianao, noho ilay valiny izay homeny anao, amin’ny Fotoanany sy amin’ny Fombany.
Mivavaka ho anao aho mba hamelombelona ny finoanao androany, ilay Nitsangana tamin’ny maty sy nandresy ny fahafatesana hanome anao fandresena amin’ny lafim-piainanao rehetra.