đ Fotoana fandroana izao !
Ny alina namadihana Azy dia nanasa ny tongotry ny mpianany Jesosy. Azonao sainina ve Jesosy manasa ny tongotrao ?
Rehefa mamaky ny tantara ao aminâny Filazantsaranâi Jaona isika, dia azoko tsara ny nahatonga anâi Petera niteny taminâi Jesosy hoe: « Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao » (Jaona 13 :8). Heveriko fa tokony ho isika no manompo sy manasa ny tongotrâi Jesosy fa tsy ny mifanohitra aminâizany!
Kanefa, mba ahafahana manome dia tsy maintsy mianatra mandray aloha isika. Izany no nahatonga anâi Jesosy somary namaly taminâny fomba masiaka anâi Petera hoe : « Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko. »(Jaona 13 :8)
Tena ankasitrahanâAndriamanitra ny faniriantsika hanompo Azy. Fa raha te handray avy Aminy isika dia mila mianatra aloha ary mitaky fanetren-tena izany.
Jesosy dia milaza fa tsy maintsy ho tonga tahaka ny zaza isika raha te- hiditra ao aminâny Fanjakanâny lanitra (Matio 18 :3). Iray aminâireo toetra mampiavaka ny ankizy tokoa ny fahalemeny. Fantatrâizy ireo fa miankina tanteraka aminâny ray aman-dreniny izy ireo, ary noho ny fanetren-tenany, dia hainâizy ireo ny mandray ny zavatra avy aminâny ray aman-dreniny am-pahatokiana tanteraka.
Ry namako, raiso anio izay rehetra nomaninâAndriamanitra ho anao. Avelao Izy hanompo anao aminâny fitiavana, aoka Izy hanadio anao sy hitari-dalana anao, tahaka ny fahatokianâny zaza eo an-trotroan-drainy. Tena tia anao izy! Ary tena miankina Aminy isika!
Eny, anio, aoka ny fitiavanâAndriamanitra hameno anao ary zarao aminâny hafa izany. Mba hifanasa tongotra sy hifanompo aminâny manodidina koa izaho sy ianao ankehitriny, araka ny efa niantsony antsika. (Jaona 13 :14)