❌ Tsy hisy intsony !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ❌ Tsy hisy intsony !

Tena tiako ny tantaran’olona niova fiainana ! Ary ianao, tianao ve izany ?
Iray amin’ireo fijoroana vavolombelona lehibe indrindra hitantsika ao amin’ny Baiboly ny an’I Manase Mpanjaka. I Manase, zanak’i Hezekia mpanjaka, no olona tsy nanam-pinoana indrindra teo amin’ireo mpanjakan’i Jodia. Nanao izay rehetra azony natao izy mba hampandrosoana ny fanompoan-tsampy ary nanao sikidy. Fa ny tena zava-doza, dia ny zanany mihitsy aza no nataony sorona teo amin’ny alitara fandoroana mba hivavahana amin’ny andriamaniny.
Notafihin’ny Asyrianina i Joda avy eo, ary nosamborina i Manase ka natao tao amina fonja babylonianina iray. Hoy ny Baiboly : “Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ny Andriamanitry ny razany” (2 Tantara 33:12). Eny, nanana fotoana nandinihana sy nahatongavana saina i Manase mba hahatsapany ny habibiana nataony. Ny mahafinaritra indrindra ao anatin’ity tantara ity dia rehefa nanetry tena izy, dia tsy vitan’ny hoe namoaka azy tao an-tranomaizina Andriamanitra, fa namerina azy teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Joda. Tsy nitovy tamin’ny teo aloha intsony ny fiainany ! Nanokan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra izy tamin’ny andro sisa niainany.
Ho anao ry namako Malagasy, eny ho anao manokana no ilazako fa maniry ny hanangana ny fiainanao Andriamanitra anio. Mety hoe very lalana tanteraka ianao na koa misy olana manahirana anao. Na izany na tsy izany, Andriamanitra dia maniry ny hanohy hanova ny fiainanao sy hanavao izany, mba ahafahanao miaina isan’andro ao amin’ny Fanatrehany tanteraka.
Te hiaraka hivavaka amiko ve ianao ? « Tompo o ! Misaotra ny amin’ny Fitiavanao. Tsy mitsahatra mitady ahy Ianao ary maniry hiaraka amiko hatrany, na dia eo aza ny tsi-fahombiazako sy ny fahalavoako. Manarina ahy Ianao ary manampy ahy handroso amin’ny dingana hentitra Ianao. Ampio aho hanatona misimisy kokoa Anao, isan’andro, Tompo o ! Amin’ny Anaran’I Jesosy. Amen !
Ao am-pon’Andriamanitra ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!