👊🏾 Avadiho ny toe-draharaha !
Modely ho ahy hatrany i Hezekia Mpanjaka ao amin’ny Baiboly.
Raha vao niakatra teo amin’ny seza fiandrianana izy dia niezaka nanarina ny tempoly sy nanamasina ny tranon’Andriamanitra, izay efa rava taona maro lasa. Niaraka tamin’ny fanampian’ny Levita, dia namerina tamin’ny laoniny izay naorin’i Mosesy izy, nivavaka tamin’Andriamanitra niaraka tamin’ny vahoaka rehetra, ary nankalaza ny fetin’ny Lalà na indray. Raha ny marina, dia nampitodika ny vahoakan’i Joda tamin’Andriamanitra izy.
Ny iray tamin’ireo fotoana niainany izay nitondra aingam-panahy ho ahy indrindra dia ny nanafihan’i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria sy ny tafiny an’i Joda. Efa nopotehiny avokoa ny zavatra rehetra teny amin’ny lalany, ary teny an-dalana ho any Jerosalema izy. Niezaka nitaona ny mponina hitolo-batana tsy nisy ady ny iray tamin’ireo irany. Ary nandritra izany, dia naneso ny fahakelezan’izy ireo izy manoloana ny tafika Asyrianina. Fa Hezekia kosa nampahery ny vahoaka ka nilaza hoe : “Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’i Asyria sy ny hamaroan’ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy” (2 Tantara 32:7).
Lasa tany an-tempoly, noho izany, Hezekia mba hivavaka sy hamboraka ny fony teo anatrehan’Andriamanitra. Ny ampitso, dia niafara tamin’ny fandringanana tanteraka ny tafika asyrianina izany, ka voatery nandositra mihitsy aza i Sankeriba. Eny, nampitsimbadika tanteraka ny toe-draharaha ny finoana sy ny herim-pon’I Hezekia.
Ry namako, tsy tokony hiady irery ianao : te hanampy anao Andriamanitra. Manana ny fahefana ilaina mba hampanjavona ireo olona lehibe indrindra Izy, amin’ny fomba tsy ampoizina indrindra. Sokafy tanteraka eo anatrehany fotsiny ny fonao dia apetrao eo an-Tongony ny fanahianao rehetra. Anio, mitsangà na ary miomà na hiady ny ady tsaran’ny finoana amin-kasahiana. Ny Tompo no mikarakara ny ambiny.