Firy ny naotinao ?
Oviana ianao no nanala fanadinana farany ?
Jotama mpanjaka dia nanaraka ny dian’ny rainy Ozia, saingy tsy latsaka tao anaty avonavona izy. Hoy ny Baiboly : « Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny izy (2 Tantara 27:6). Eny, toy izany no nampahery azy sy nandreseny ireo olona niady taminy. Tsy latsaka tao anaty avonavona izy satria nanomana ny lalana tokony halehany teo anatrehan’Andriamanitra.
Eny ry namako, fanalahidy mampijoro tsara ao amin’ny Tompo ny fanomanana. Ny famakiana ny Baiboly, ny vavaka ary ny fotoana miaraka amin’I Jesosy isan’andro dia manomana antsika hiatrika amim-pahombiazana ireo tafika sy laingan’ny fahavalo. Ireny fotoana fanomanana ireny dia manampy antsika ho tonga mahery kokoa ao Aminy.
Sitrakao ve ny hivavaka ? « Tompo o ! Misaotra fa miaraka aminay Ianao, ary miaraka amin’ny fanampianao sy ny fanomanana, dia afaka ny hijoro ao Aminao izahay isan’andro. Mangataka Aminao aho Tompo mba hanampy ahy hiambina isan’andro anaty vavaka ary hitandrina, mba tsy hilatsaka anaty fandriky ny fahavalo. Ampio aho hiomana amin’izany, isan’andro ! Misaotra amin’izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainako Tompo. Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amen !”
Mivonòna ho an’izay rehetra ho avy eo amin’ny fiainanao.