🤓 Mahita tsara ve ianao ?
Efa nanajamba anao ve ny avonavona ?
Ozia mpanjaka, zafikelin’I Joa, dia nanao ny marina teo imason’Andriamanitra. Ny Baiboly dia milaza fa “nitady an’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an’Andriamanitra; ary tamin’ny andro nitadiavany an’i Jehovah dia nambinin’Andriamanitra izy” (2 Tantara 26:5). Tena nahay nanao drafitra sy nanorina trano i Ozia. Tena hainy tokoa ny nandamina ny tafik’i Joda, ny nanao tilikambo hiarovan-tena, fitehirizan-drano ho an’ny fambolena, ary koa ny namorona fitaovam-piadiana hiarovana ny olony, miaraka amin’ireo injenierany.
Niparitaka tamin’ireo faritra manodidina ny lazany. Na dia izany aza anefa, dia nanimba azy ny fahombiazany, ary ny Baiboly dia milaza fa “nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy » (2 Tantara 26:16). Nihevi-tena ho nahery loatra izy ka nahasahy niditra tao an-tempoly ary nanao fanatitra mivantana, izay zavatra voarara ho an’ny olona tsy mpisorona tamin’izany andro izany. Rehefa niatrika ny fanoheran’ny mpisorona izy, noho izany safidy izany, dia mbola nitohy ihany tao anaty avonavona. Voalaza fa niaraka tamin’izay dia nipoitra teo amin’ny andriny ny habokana. Ilay mpanjaka tena natanjaka teo aloha dia nesorina ho azy, ka namela ny zanany lahy ho lasa mpanjaka vaovao. Niaina toy ny boka izy nandritra ny andro sisa niainany, irery, tao amina trano nitokana, lavitry ny rehetra.
Ry namako, aza avela hanajamba anao ny avonavona, indrindra rehefa mety ny zavatra rehetra ! Toy ny niainan’i Ozia, ny avonavona dia toy ny habokana eo amin’ny fiainantsika, mety hanosika antsika hanao hadalana izay hitarika antsika ho amin’ny fahaverezana, hampanalavitra antsika amin’ny antsontsika. Izany no mahatonga ny Baiboly manambara fa « izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo (1 Korintiana 10:12).
Androany, mivavaka aho mba hameno anao ny Fahendren’ny Tompo ary hirehitra ao aminao ny faniriana hitoetra ao anilany hatrany.
Sarobidy amin’Andriamanitra ianao !