Ny fiarovana tsara indrindra dia fanafihana tsara !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ny fiarovana tsara indrindra dia fanafihana tsara !

Fantatrao ve ilay fomba fiteny hoe « ny fiarovana tsara indrindra dia ny manana fanafihana tsara ? » Mino aho fa fehezanteny marina amin’ny lafiny ara-panahy izany.
Matetika ny fahavalo no manafika antsika amin’ny fiezahana mamorona ao anatintsika, karazana fahatsapana miiba, eritreritra ratsy, tahotra, ahiahy…ary amin’izany dia ny lainga sy ny fitaka no fiadiana fototra ampiasainy. Amin’ireo fotoana ahatsapanao fanerena, fantatrao ve hoe inona no zavatra tsara indrindra hatao ? Manomboha mifaly ao amin’ny Tompo, ary ambarao ny Fandreseny eo amin’ny fiainanao ! Raha tokony hanohitra tsotra izao ianao dia azonao atao ny manafika sy manimba ny asan’ny fahavalo amin’ny alalan’ny fankasitrahanao sy ny fifalianao.
Misy tambatra tonga lafatra mitranga rehefa mitaraina amin’Andriamanitra isika, ary manambara ny fahalehibeazany amin’ny alalan’ny vavaka. Hoy Davida mpanjaka : « Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona; Ary ny fahalehibeazanao no holazaiko. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy … » (Salamo 145:6-7). Eny, ny andro anio dia andro :

  • hiresahana ny asa mahagaga efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao.
  • hanekena ny fahalehibeazan’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra.
  • hanambarana ny Fahatsaran’Andriamanitra goavana ho anao.

Ry namako, ambarao mafy izany : fangaro tonga lafatra ho an’ny fianam-pandresena izany
Tianao ve ny hiaraka hivavaka amiko ? “Tompo o! Misaotra Anao aho amin’ireo zavatra miavaka sy tsara rehetra ataonao eo amin’ny fiainako. Ampio aho hitady Anao hatrany, hitaraina Aminao avy amin’ny atilalin’ny foko, ary hanambara hatrany eo amin’ny molotro ny Fahalehibeazanao, ny Herinao, ny Hatsaranao, ary ireo zavatra mahagaga rehetra nataonao teo amin’ny fiainako, mba hiorenako amin’ny finoana sy hampahery ahy. Misaotra mitia ahy sy miaraka amiko hatrany, Tompo o! Amin’ny Anaran’I Jesosy. Amen !”
Mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao, eo amin’ny Fanatrehan’ny Tompo.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!