⚠️ Faritra mampidi-doza!
Ianao ve ilay manana toetra tsy miovaova sa ilay miovaova?Nandritra ny androm-piainako, dia matetika aho no niova tamin’ny lafiny maro, anisan’izany ny lafiny ara-panahy. Tia an’Andriamanitra foana aho, nefa nisy fotoana tsy nahay namaky Baiboly, na tsy te hivavaka. Raha ny zava-misy dia satria tsy tena azoko tsara ilay hetsika masina izay miafina ao ambadiky ny vavaka.Rehefa tafiditra ao anatin’ny fiovaovana toy izany isika, dia tafiditra amin’ny faritra tsy miraika izay mampidi-doza. Raha ny marina, ny Baiboly dia mampitandrina antsika amin’ireo mpampianatra sandoka ireo izay feno ny fitaka an’izao tontolo izao, satria “dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy” (2 Petera 2:14). Rehefa miovaova ny finoantsika, dia mora voafitaka isika, na amin’ny alalan’ny fahotana na amin’ny ireo olona izay hampiasain’ ny fahavalontsika ara-panahy, ka mitady hitarika antsika hiala amin’ny fahamarinana.Tamin’ireny vanim-potoanan’ny fikorontanana nolalovako fony aho mbola kely ireny, dia nisedra fakam-panahy sy faharesena bebe kokoa aho, rehefa tsy nifikitra tamin’ny Tompo. Ary, ny nanova ny fiainako dia ny andro nanapahako hevitra hanomboka hamaky Baiboly sy hivavaka isan’andro. Hitako izay tian’Andriamanitra hatao eo amin’ny fiainako, ary tsy te hiverina amin’izany intsony aho, ka nanapa-kevitra ny hanao fahazarana ny fiarahana amin’ny Tompo mandritra ny adiny iray isa-maraina. Tena lazaiko aminao fa iray amin’ireo fanapahan-kevitra tsara indrindra teo amin’ny fiainako izany. Io fahazarana io dia nampahery ahy tokoa, nanavao ny fahitako izany ary lasa hery manosika ny fiainako. Izany no nahafahako nitombo sy nanompo an’i Andriamanitra tsy tapaka nandritra ireo taona rehetra ireo.
Ry namako, raha miaina ao anatin’izao fiovaovana mampidi-doza izao ianao, anio no andro ahafahanao manao dingana voalohany manapa-kevitra. Fantatro fa tsy mora ny fiainana eto Madagasikara, izay mety hitarika ny maro hanadino na handà an’Andriamanitra mihitsy aza; fa ianao ry namako, aza avela ho voataonan’io onja io ny tenanao, miverena ary ampifandraiso amin’Andriamanitra ny fiainanao.
Mamelà ahy hivavaka ho anao: “Tompo ô, mivavaka ho an’ny namako aho, mba hanampianao azy handray fanapahan-kevitra izay hahatonga ny fiainany tsy hiova ao Aminao. Mivavaka aho mba hampandresenao ny fiainany, ary ny fitahinao ho amin’ny fiainany sy ny ankohonany. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen!”Manaova dingana hentitra anio.