🤔 Miovaova foana ve ianao ?
Inona no tokony hataonao mba hiorenana bebe kokoa amin’ny finoanao, sy eo amin’ny fiainanao amin’ny ankapobeny?
Hoy ny Baiboly hoe : « olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra. » (Jakoba 1 :8) Midika izany fa toy ny hoe manana finoana ny olona iray etsy andaniny, nefa mbola manana fisalasalana etsy ankilany. Io firoroan-tsaina io no mitarika azy amin’ny fiovaovana sy ho diso famindra. Indray andro izy dia mety ho mafana fo sy hahatsiaro ho matanjaka amin’ny finoany sy amin’ny fikasany, fa ny ampitson’iny kosa dia mety halahelo toy ny hoe mijoro eo amoron’ny lavaka mangitsokitsoka.
Mamono ny finoana ny fisalasalana, ary mahatonga antsika ho entin’ny fietseham-pontsika toy ny onjan- dranomasina. Ahoana no hahafahantsika mandresy izany ? Amin’ny finoana tena mijoro. Io karazana finoana io no manome fahavononana handroso, na inona na inona mety hitranga, izay no mahatonga antsika tsy hivadika sy hahazo fandresena.
Izany finoana mijoro tsara izany no manosika antsika, ohatra, handamina ny tenantsika mba hananantsika fotoana hihaonana amin’Andriamanitra amin’ny maraina, na dia kamo aza isika indraindray. Manosika antsika hanakaiky an’Andriamanitra bebe kokoa, hanao ezaka rehefa ilaina izany, mba ho tsara fanahy amin’ny hafa, ary hanalavitra antsika amin’ireo karazana toe-tsaina izay mitaona ny fanahintsika amin’ny lalan-diso.
Ry namako, ny finoana tapa-kevitra dia mampitsahatra ny fisalasalana. Manomboka androany dia mivavaka aho mba hanana saina iray ianao, fomba fisainana iray izay hahatonga anao hiorina tsara amin’ny alehanao rehetra.
Andao hiara-hivavaka isika : « Tompo ô, misaotra Anao amin’izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainanay. Omeo finoana tena miorina izahay. Ataovy vonona foana aho hanao izay sitraponao rehetra amin’ny fotoana rehetra, ary tsy ho resin’ny fisalasalana na ny laingan’ny fahavalo. Ampio aho mba hitombina tsara amin’ny lafim-piainako rehetra, ary hihalehibe ao Aminao, mihoatra lavitra noho ny hatrizay. Amen. »