⛲️ Maharitra hafiriana anaty rano ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⛲️ Maharitra hafiriana anaty rano ianao ?

Maharitra hafiriana tsy miaina ao anaty rano ianao ?

Mahafantatra ny « plongée en apnée » ve ianao ? Ity fomba fanao ity dia fitazomana ny fofonaina ao anaty rano tsy ankihetsika. Ny tompon-daka eran-tany amin’ity taranja ity dia mahavita hatramin’ny 12 minitra miaina ao anaty rano tsy misy rivotra. 12 minitra ! Azonao eritreretina ve izany ? Izaho mety tsy mahatana na dia iray minitra akory aza.

Ny vatantsika dia natao hiaina rivotra tsy tapaka fa tsy indraindray fotsiny. Ny vatantsika dia efa natao mba tsy hitsahatra miaina, na dia mihazakazaka aza, mipetraka eo amin’ny seza na matory isika.

Toy izany koa, ny fanahintsika dia mila tsy tapaka ny rivotry ny lanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Ny Baiboly dia milaza fa mila maharitra mivavaka isika. (Romana 12 :12). Rehefa mivavaka amin’ny fo ianao dia miaina ara-panahy. Tahaka ny amin’ny fofonaina voajanahary, mamoaka rivotra isika ary mifoka azy. Noho izany, azonao atao ny mamoaka ny olanao, ny fanahianao ary ny tahotrao eo anatrehan’Andriamanitra. Ary afaka miaina ny Fiadanany, ny Fitonianany, ny Fiarovany eo amin’ny fiainanao ianao. Mamoaka ny “dioxyde de carbone” anao ianao ary mifoka ny rivotry ny Lanitra, izay rivotra vaovao manavao ny fiainanao.

Ry namako, aza manao tsy hakiaina ara-panahy. Anio, aoka ny fanahinao hifoka ny fiombonana sarobidy nomen’Andriamanitra anao. Mijoroa hatrany, amin’ny fizarana Aminy ny zavatra hiainanao mandritra ny andronao, amin’ny fitadiavana ny Fanatrehany sy ny Fahendreny na aiza na aiza misy anao…Manome toky anao aho fa tsy ho toy izany intsony ny fiainanao, raha manomboka mampihatra izany ianao!

Andao hiara-hivavaka amiko : «Tompo o, misaotra anao ny amin’ny fahafahana miresaka Aminao amin’ny fotoana rehetra sy fifohana ny rivotry ny Lanitra. Ampio aho mba hibanjina Anao bebe kokoa sy tsy tapaka mivavaka. Maniry ny hitazona izany fifandraisana sarobidy Aminao izany aho eo amin’ny fiainako andavanandro. Misaotra noho ny fitiavanao! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen ! »

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!