đ§ Efa ningitrika ve ianao?
Efa nisy fotoana ve ianao nijanona tao an-trano na nandeha tany an-toeran-kafa nefa tokony ho nandeha nianatra?
Ho ahy manokana, fony aho mbola kely, na dia mpianatra nahay aza aho, dia nisy fotoana voatery tsy nianatra noho ny aretina na nanao zavatra lehibe niaraka taminâny ray aman-dreniko. Na dia voamarina aza ireo antony ireo dia tsaroako izany fahatsapana izany hoe tokony ho tao an-dakilasy aho taminâio fotoana io. Nanana izany fahatsapana izany aho izay toy ny fahatsapana fa tsy teo amin’ny toerana tokony hisy ahy aho.
I Davida Mpanjaka no lehibe indrindra taminâireo mpanjakanâny Israely. Fantatsika ny zava-bitany sy ny herim-pony ary ny fitiavany anâAndriamanitra. Nandresy anâi Goliata goavam-be taminâny vato tokana izy, nanoratra Salamo ara-paminaniana maro, ary ny Baiboly mihitsy no milaza fa olona araka ny fonâAndriamanitra izy ( Asanâny Apostoly 13:22 ).
Saingy nisy fotoana tsy nitandrina izy. Hoy ny Baiboly: âAry rehefa niherina ny taona, ka mby aminâny andro fandehananâny mpanjaka hiady, dia naniraka anâi Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranakâi Amona ireo sady nanao fahirano anâi Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany..â (2 Samoela 11:1). Tamin’ity indray mitoraka ity, nanapa-kevitra i Davida fa tsy handeha hiady â adidiny izany â fa hijanona ao an-trano sy hiala sasatra. Aminâny lafiny iray, dia nanapa-kevitra ny âtsy hiditra an-tsekolyâ izy: namela ny fiambenany izy, ary saika tsy tonga saina akory izy, latsaka tao anatinâny fahotana lehibe anakiroa niaraka taminâi Batseba, izay hiteraka vokany eo aminâny fianakaviana sy ho anâny tenany manokana mandritra ny androm-piainany.
Ry namako, na any am-piasana ianao, na ao an-trano na any am-pialan-tsasatra dia arovy mandrakariva ny fiombonanao aminâAndriamanitra. Io fifandraisana mahatoky Aminy io dia hanampy anao hahita foana ny toerana tokony hisy anao, ary amboninâizany rehetra izany, dia hanampy anao hifoha ara-panahy sy hiambina hatrany, mba tsy ho lavo.
Ankafizo ity andro ity eo ambaninâny fanatrehan’ny Tompo.