đđ±Nanao âselfieâ ve ianao?
Moa ve ianao miasa saina aminâny fisehoana ivelany sy izay mety holazain’ny hafa? Aminâny lafiny iray isika rehetra dia samy mitady, mba ho ekenâny olona manodidina antsika.
Toa hita mihamitombo hatrany ny fisehoana ivelany eto aminâity izao tontolo izao ity. Maro ny olona, ââna dia mijaly aza izy ao anatiny ao, dia afaka maka âselfieâ amin’ny tsikiny izay tsara indrindra ary mametraka izany amin’ny tambazotran-tserasera mba ho hita fa milamina tsara ny zava-drehetra⊠Efa nanao an’izany ve ianao?
I Saoly no mpanjakanâny Israely voalohany. Na ny bika aman’endriny na ny hatsarany dia niavaka. Izy no lehibe indrindra taminâny vahoaka, nofidinâAndriamanitra, nohosoranâi Samoela mpaminany, ary efa naminany mihitsy aza. Natahotra izay holazainâny olona momba azy anefa i Saoly, ka nahatonga azy handray fanapahan-kevitra ratsy. Indray andro, rehefa tsy maintsy niatrika fifanandrinana sarotra taminâilay mpaminany izy, dia tsy afaka nanao inona hafa tsy ny namaly azy hoe: â⊠Efa nanota aho izao, kanefa, masĂŹna hianao, mba omeo voninahitra eo anatrehanâny loholoko sy eo anatrehanâny Isiraely aho.â ( 1 Samoela 15:30). Nohajambainâny tahotra sy ny bika amanâendriny ny fony ka namoy ny anjarany efa voaomana ho azy. Maty resy sy nampijaliana izy, lavitry ny fikasanâAndriamanitra ho azy.
Ry namako, ny tahotra sy ny fisehoana ivelany dia afaka manimba ny anjara efa nomanin’Andriamanitra ho anao. Anio, aoka ny masonao hifantoka aminâIlay tena zava-dehibe: Andriamanitra; ary amin’ny alalany no hahafantaranareo ny zavatra rehetra.
Te hiara-hivavaka amiko ve ianao? âTompo ĂŽ, ampio aho mba tsy hanahy loatra ny aminâizay lazainâny hafa momba ahy. Ampio aho hiatrika ny tahotra ny olako, ary tariho tsy hiankina afa-tsy aminâizay lazainao amiko. Apetrako Aminao ny fitokiako Tompo ĂŽ, Ianao no laharam-pahamehana. Misaotra Anao fa ao Aminao dia foana ny tahotra sy ny tsy fandriampahalemana! Aminâny anaranâi Jesosy. Amen!â