Hotantaraiko anao ny tantara…
Tadidinao ve ny fitiavanao mihaino tantara tamin’ny mbola kely ?
Tia tantara avokoa ny olona rehetra. Isika rehetra dia voakasik’iilay fahalinana izay mahatonga antsika te hihaino tantara sy hamantatra ny fiafarany. Nanao “fanoharana” foana i Jesosy, tantara izay nanampy Azy hanambara fahamarinana sarotra, tamin’ny fomba tsotra sy manintona ny vahoaka.
Tiako foana ireo tantara samihafa ao amin’ny Baiboly, tiako ny namakafaka ireo olona samihafa sy mijery ny lesona azoko tsoahina amin’izany Izany mihitsy no ambaran’ny Baiboly : « Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo » (I Korintiana 10:11-12). Eny, mampita fampianarana fototra ho an’ny fiainantsika ny nanjo azy ireo.
Naharay fampianarana be dia be aho tamin’ny fandalinana ny Mpanjakan’ny Isiraely – olona ao amin’ny Baiboly. Ao anatin’ny andro vitsivitsy dia hamakafaka fanalahidy manan-danja nalaina avy tamin’ny tantaran’ny Mpanjakan’i Joda sy Israely 6 aho. Meteza ho voasariky ny tantaran’izy ireo sy handray lesona ny amin’ny fahadisoany mba tsy hanaovantsika toa izany koa. Vonona ve ianao?
Hivavaka isika : “Tompo o ! Misaotra Anao aho noho ny fahafahana mianatra mamantatra Anao amin’ny alalan’ireo tantara omenao anay ao amin’ny Teninao. Ampio izahay hiambina sy hivavaka ary mandritra ny andro vitsivitsy, mba hohazoninao ny sofinay ara-panahy hampihatra ireo Fampianaranao, eo amin’ny fiainanay. Mitenena amin’ny fonay Tompo ! Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amen !”
Mitondra anao ao am-poko sy ao an-tsaiko aho.