Sitrakao ve ny … ?
Mihevitra ny tenanao ho olona tsara fanahy ve ianao, sa kosa olona maina ?
Tsara ery ny mifandray amin’olona tsara fanahy ! Mamelombelona aoka izany ny miara-miaina amin’olona manana halemem-panahy eo amin’ny fiainany. Nandritra ny androm-piainako dia nifanena tamina olona maro izay masiaka fomba fanao aho na dia teo anivon’ny mpino aza. Ary ny olona nitondra fitahiana sy aingam-panahy indrindra ho ahy dia ireo izay manana hatsaram-panahy marina mipololotra avy ao amin’ny atilalin’ny fony.
Hoy Jesosy : « Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany” (Matio 5:5) Eny ry namako, ain-dehiben’ny fiainantsika ny halemem-panahy satria maneho ny fon’Andriamanitra izany.
Raha misafidy ny ho tsara fanahy hatrany ianao dia hiaina fitahiana goavana, ho an’ny fiainanao sy ho an’ny fiainan’ny hafa amin’ny alalanao. Io halemem-panahy eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa io no maneho ny fon’Andriamanitra, sy mamela anao hihanoka ny fiainana amin’ny fomba tsara kokoa.
Ny Fahasambarana fahatelo noho izany dia mamporisika antsika hanana hatsaram-panahy miavaka ary fiainam-baovao sy voatahy amin’ny alalan’izany. Te hitombo amin’io sehatra io ve ianao androany ? Angataho amin’ny Tompo anaty vavaka ary : “Tompo o ! Te ho feno ny Fahatsaranao misimisy kokoa aho isan’andro. Tiako ho fenoinao ny Fitiavanao ny olona tsirairay aho, ka mba hahaizako mitondra tena amin’izy ireny tsirairay avy amin’ny fanehoana ny Halemem-panahinao, ny Fanajanao sy ny Fitiavanao. Ho loharanom-pitahiana ho an’ny olona mifanena amiko anie ny fiainako. Misaotra Tompo amin’izay rehetra ataonao amin’ny fiainako ! Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amen !”
Ato am-poko ianao.