Efa an-dalana ny valiny !
Ny vavaka izay asandratrao amin’ny Tompo amin’ny hafanam-po dia mamerovero hanitra izay hankasitrahan’Andriamanitra manokana.Raha tsikaritrao dia tsy nilaza aho hoe manana an’io hanitra io daholo ny vavaka ataonao rehetra fa somary voafaritra kokoa. Indraindray isika dia tafiditra anaty fahazarana, ary lasa manao vavaka tsianjery. Amin’ity herinandro ity indrindra isika dia hiresaka momba ny Afon’i Jehovah, ary izay indrindra no maha samy hafa azy : rehefa tena mivavaka amin’ny firehetam-po ianao dia miova ny zava-drehetra.Hoy ny Baiboly ao amin’ny Apokalipsy : « Ary nisy anjely iray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ny alitara; nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra izy. Nomena ditin-kazo manitra betsaka izy mba hatolony izany miaraka amin’ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ny sezafiandrianana. […] Ary ny anjely dia nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra ary nameno azy tamin’ny afo teo amin’ny alitara ka nanipy izany tamin’ny tany » (Apokalipsy 8 :3,5)Ry namako, ireo vavaka izay asandratrao amin’Andriamanitra am-pahatsorana, ireo izay avy ao am-ponao lalina dia toy ny emboka manitra sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra. Miaino tsirairay ny vavaka Andriamanitra : isaky ny mivavaka toy izany ianao, dia tafaray ao amin’ny afon’ny lanitra ny vavakao ary mamokatra valiny mahagaga any an-danitra mankaty ambonin’ny tany. Rehefa tafaray amin’ny afon’Andriamanitra ny afonao dia azo antoka ny valiny! Amin’ity anio ity, makà minitra vitsy hivavahana amin’Andriamanitra amin’ny fo feno fahatsorana sy misokatra ho Azy.Mamelà ahy hivavaka ho anao : « Tompo ô, mivavaka ho an’ny namako aho, mba hofenoinao amin’ny afonao ny fony rehefa mivavaka . Avelao izy mba hahita Anao hamaly ny vavaka izay ataony. Aoka hisandratra ny Anaranao Tompo o ! Amin’ny anaran’i Jesosy, amen ! »Ato am-poko ianao.