🧽Fantatrao ve ny “Savon de Marseille” ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🧽Fantatrao ve ny “Savon de Marseille” ?

Tena tiko ny fofon’ny savony. Tsara ery ny maheno io hanitra mameroveron’ny fahadiovana io manodidina anao…
Anisan’ny savony tsara laza indrindra manerantany ny “savon de Marseille”. Any amin’io faritra any Frantsa io, no vokarina ireo savony ireo ary efa hatramin’ny taonjato faha 14, no nampiasa azy ireo mpanjaka maro manerantany. Tena tiko ny “savon de Marseille” !
Ry namako, ilay fahatsapana fahadiovana izay azo avy amin’ny savony sy ny rano dia tsy azo ampitahàna akory amin’ny fahadiovana anaty izay omen’Andriamanitra antsika. Mbola tsaroako ilay fotoana iray izay nihaonako manokana tamin’i Jesosy. Taorian’ny taona maro izay tsy dia nazava tsara tamiko, dia niaina ny traikefan’ny famindrampo sy ny fitiavan’Andriamanitra mitobaka amiko, izay manadio ny loton’ny lasako rehetra aho. Tadidiko ilay fahatsapana fiadanana sy fanadiovana tanteraka izay nanenika ahy : nitsiky no azoko natao, nankafia dia nisaotra an’Andriamanitra noho ny Aminy, noho ny fisiany eo amin’ny fiainako, noho ny indrafony, noho ny fiainam-baovao omeny ahy, sns.
Ny Baiboly milaza momba an’Andriamanitra hoe : ” Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba.” (Malakia 3:2). Ry namako, mety mahatsapa tena hoe maloto noho ny fahotana ianao, na mety mihevitra ianao hoe tsy ho afaka amin’ny fitondran-tena sasany…fa androany, tonga eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, miaraka amin’ny afony izay manadio tanteraka ka hanafaka anao amin’ny faharatsiana rehetra, ary handrotsaka ny hanitra sy rivotra madio eo amin’ny fiainanao. Raha omenao alàlana, hanadio anao tanteraka hatrany anaty ny afony, ary ny fiainanao hanana ny hanitra tsara indrindra izay mety azo nofisina. Tsy misy savony azo hoarina aminy, eny fa na dia ny “savon de Marseille” aza !
Sitrakao ve raha hiaraka hivavaka isika ? “Tompo o, misaotra nanadio ahy tanteraka tamin’ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Amin’ny anaranao, mino aho fa voadio tanteraka tamin’ny fahadisoana sy ny rohy amin’ny lasa rehetra, ary mino amin’ny foko manontolo aho fa dingana vaovao indray no miatomboka amin’ny fiainako. Ny afonao sy ny hanitry ny fanahinao anie hameno ahy isan’andro. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen !”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!