🏋🏻♀️ Mahazaka 100 kg ve ianao?
Efa nahita olona nilanja fonjam-by ve ianao? Mahavariana ny mahita ny havesatry ny zavatra lanjain’izy ireo! Indraindray izy ireo dia manainga zavatra mavesatra loatra ka lasa mivilana ilay bara eo afovoany nohon’io tsindry io , na dia vita amin’ny vy aza!
Ny zavatra iray izay nanaitra ahy hatrany dia ny olona manainga ilay lanja mavesatra toy izany, na ireo matihanina, na ireo mizatra ity taranja ity, dia manana zavatra iray iraisan’izy ireo: izy rehetra dia manao fehikibo manokana izay manamafy ny faritry ny kibo sy ny lamosina. Noho izany, afaka mijoro tsara izy ireo, mijanona ho mafy orina mba hampiakatra entana mavesatra sady tsy manahy fa ny tsindry dia hiteraka ratra mafy amin’ny lamosiny.
Ny ampahany voalohany amin’ny fiadian’Andriamanitra dia fehikibo ihany koa. Hoy ny Baiboly: “ Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra.” ( Efesiana 6:14). Ny fahamarinana dia ilay fehikibo manokana nolazaiko taminao. Rehefa manodidina ny fonao ny Fahamarinan’Andriamanitra, dia afaka mitsangana sy mijoro tsara ianao manoloana ny tsindry ataon’ny fahavalo.
Tadidinao koa ve hoe: iza no Fahamarinana? Eny, Jesosy no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jaona 14:6). I Jesosy mihitsy no ampahany lehibe sy fototra amin’ny fiadian’Andriamanitra. Manandratra anao Izy, manohana anao amin’ny teniny fahamarinana manoloana ny laingan’ny fahavalo, ary mampahery anao amin’ny Fanatrehany.
Andeha isika hiara-mivavaka hoe: “Tompo Ă´, misaotra Anao aho fa nanehoanao bebe kokoa tamiko ny fahamarinanao isan’andro, mba ho afaka bebe kokoa amin’ny laingan’ny fahavalo aho. Misaotra anao niaraka tamiko isan’andro, amin’ny fotoana rehetra. Misaotra Anao fa ny fahamarinanao no manafaka ahy! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen.”
Tsy irery ianao ry namako. Miaraka aminao Izy.