๐๐ป Fotoana hiderana Azy izao !
Misy hery lehibe ao anatin’ny fiderana.
Hatrizay dia tena nanamarika ahy foana ilay andian-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly izay miresaka ny fanokanana Tempoly, tamin’ny andron’i Solomona. Ny Baiboly milaza ny aminโ ny mpitendry mozika hoe, “ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’i Jehovah; ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’Andriamanitra.” (2 Tantara 5:13-14).
Waouh ! Ireo mpitendry mozika ireo dia nisafidy ny hihira ny fahatsarana sy ny famindrampon’Andriamanitra, ary ny vokatr’izany dia ny fanatrehan’Andriamanitra izay nameno tsy ny fiainanโizy ireo ihany fa ny trano izay nisy azy ireo ihany koa. Izany fiderana izany dia nisy akony tena lehibe. Tena akony mafy, hany ka ilay hoe, “fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony” dia tena nanamarika ny vahoakan’i Israely, ary izany no antony ahitantsika io andininy io amina andalana maro ao amin’ny Testamenta Taloha.
Faly Andriamanitra rehefa manambara ny fahatsarany, ary midera izany eo amin’ny fiainantsika isika, na dia mamakivaky haizin-kitroka aza. Ao anatin’izany fiderana izany, no isehoan’ny fahagagana ary isian’ny fanatrehany.
Rehefa midera ny fahatsarany ianao, dia mipaka eo amin’ny zavatra iainanao ny voninahiny !
Tianao ve ny hiaraka hidera ny Tompo amiko androany ? โMisaotra, Ray รด, fa tena tsara Ianao, ary ny famindramponao maharitra mandrakizay. Ny famindramponao eo amin’ny fiainako dia tsy manam-piafarany, ary ny zavatra lalovako dia tsy hanova velively izany fahamarinana izany. Misaotra Tompo ! Misaotra ny amin’ny fitiavanao ! Misaotra fa miaraka amiko foana Ianao, ary tsy handao ahy mihitsy ! Misaotra ny amin’ny fahagagana izay ataonao, sy ireo fahagagana mbola ho ataonao eo amin’ny fiainako ! Ho asandratra eo amin’ny fianako anie ny anaranao. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen !โ
Ho tahiana anie ianao, ry namako, dia ankafizo ny fahatsaran’Andriamanitra eo amin’ny pitsopitson’ny fiainanao rehetra androany.