Iza ilay ratsy fanahy ao anatin’ilay horonantsary?
Indraindray, rehefa mijery horonantsary aho na sarimihetsika dia somary tezitra kely mihitsy rehefa misy trangan-javatra tsy rariny ao anatin’ilay tantara. Manao toy izany koa ve ianao indraindray ?
Ny zavatra iray anisan’ny mahasosotra ahy indrindra dia rehefa mikonokonona teti-dratsy hanoherana ilay mpilalao fototra ireo olon-dratsy anatin’ilay tantara, ary indrindra rehefa manan-kevitra hiampanga azy amin’ny zavatra tsy nataony izy ireo mba hinoan’ny rehetra fa izy no meloka. Tsy afa-manoatra aho fa rehefa mahita trangan-javatra toy izany dia mirehitra ny ao anatiko rehetra ! Ny hany mihazona ahy hanohy hijery ilay horonantsary dia hiandry ny fomba handresen’ilay tsara fanahy amin’ny farany =)
Ny toetry ny fahavalo ara-panahy dia toy izao indrindra : mpandainga, mpiampanga ary mamadika ny zava-misy. Tena mahay manodikodina ny marina izy ary miezaka manome tsiny an’Andriamanitra amin’ny zavatra tsy nataony, ary miezaka mandoto an’Andriamanitra ho olon-dratsy.
Hoy ny Baiboly : « Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. » (I Jaona 1:5) Voamarikao ve ny lazain’io teny io : Tsy misy haizina ao amin’Andriamanitra.Ny fahavalo dia te hamely anao amin’ny aretina, amin’ny fahantrana, amin’ny tahotra sy ny tebiteby… ary ny tena ratsy indrindra dia tiany ianao hieritreritra fa Andriamanitra no ao ambadiky ireo zavatra manjo anao.Saingy tsy marina izany. Tsy avy amin’Andriamanitra ireny zavatra ireny fa avy amin’ny maizina. Tsara Andriamanitra, tsy misy ratsy ao Aminy !
Andriamanitra dia Rainao ary feno fahatsarana Izy. Maniry handrotsaka ny fitahiany ao amin’ny lafim-piainanao rehetra Izy.
Te hiara-hivavaka amiko ve ianao ? « Tompo o, misaotra Anao mampamirapiratra ny fahazavanao eo amin’ny fiainako. Ampio mba tsy ho diso fahavalo mandrakizay na hino fa Ianao no tompon’andraikitra amin’ny zava-dratsy manjo ahy. Misaotra Anao fa amin’ny Anaranao no ananako fitahiana sy fandresena! Amin’ny anaran’i Jesosy, amen ! »