Feon-kiran’ny lanitra ianao !
Mahay mitendry zava-maneno ve ianao ? Izaho mitendry gitara, ary mahay piano kely ihany.
Raha mitendry zava-maneno ianao, anisan’ny fotoana ratsy indrindra rehefa mitendry, dia rehefa ianao mamalana. Manimba ny firindran’ilay hira manontolo io fivalanana io ! Na iza na iza, na tsy manana fahaizana momba ny mozika aza, dia afaka milaza fa nisy olana tany ho any …
Amin’ny maha-olombelona, noariana miaraka amin’io filana firindrana io isika ao anatintsika. Rehefa namorona izao rehetra izao Andriamanitra, dia voatahy sy nirindra avokoa ny zavatra rehetra. Io maha iray io no tian’Andriamanitra haverina eo amin’ny fiainantsika. Hoy ny Baiboly : “ Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina ! (…) Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.” (Salamo 133:1-3) Misy fitahiana maro ao anaty firaisan-kina.
Ny fahavalo dia miezaka ny hanapotika ny fifandraisantsika amin’ny karazana “naoty tsy mifanaraka”, miaraka amin’ny karazana lainga sy tsi-fandriampahalemana isan-karazany, mba handrava ny firindrantsika sy hiteraka fisarahana. Misintona fitahiana anefa ny firaisan-kina ! Ny rivotra fiombonana eo amin’ny fianakaviantsika, eo amin’ny fiangonantsika, eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo … dia manokatra midanadana ny varavarana ho an’ny fitahian’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.
Misaotra an’Andriamanitra aho ny amin’ny fiainanao ry namako. Te hivavaka ho anao aho ankehitriny : « Misaotra Tompo, amin’ny fiombonana izay iainanay ao anatin’itony hafatra iarahana amin’ny rahalahiko/anabaviko itony. Mivavaka ho an’ny fiainany sy ho an’ny ankohonany aho, mba hitahy azy ireo ianao ary mba hiroborobo izy ireo amin’ny lafim-piainany rehetra. Mamelà anay mba hiaraka hahalala anao misimisy kokoa hatrany Tompo o, ary mba handehananay hatrany anatin’ny Fitahianao isan’andro. Misaotra Anao aho ny amin’ny fiainany. Amin’ny anaran’i Jesosy Amen ! »