Rano mamy sa mangidy ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Rano mamy sa mangidy ?

Manana fahefana goavana ny teny. Heveriko fa samy efa niaina ny vokatsoa sy ny voka-dratsy entiny eo amin’ny fiainantsika isika.
Fantatrao ve hoe inona ny hozatra mafy indrindra amin’ny vatantsika miohatra amin’ny hakeliny ? Ny “masseter” izany, ilay hozatra tompon’andraikitra amin’ny fihetsehan’ny valanorano; ary na dia kely ihany aza izy dia afaka mampiasa hery 90 kilao (200 livra). Tena betsaka izany !
Eny, kely ny vavantsika, saingy manana tanjaka lehibe izy. Izao no lazain’ny Baiboly : “Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany?” (Jakoba 3 :10-11) Manana hery lehibe tokoa ny teninao hany ka afaka mitondra fitahiana na ozona, eo amin’ny fiainanao tahaka ny an’ny hafa.
Isaky ny misafidy ny hiteny zavatra ratsy momba ny hafa , ny hitaraina, ny hitsikera, ny hanevateva ianao …. dia mamela io rano magidy io mitosaka avy aminao. Indraindray, mamaly mafy isika ary tsy mandinika intsony izay mivoaka ny vavantsika. Nefa tian’Andriamanitra ho loharanom-pitahiana ny fiainanao, ka ho teny mamy no hiboiboika avy amin’ny molotrao, teny fampaherezana, fankasitrahana, fiderana. Enga anie mba ho taratry ny fitahiana eo amin’ny fiainanao ny teninao ! Araka ny voalaza ao amin’ny Jakoba 1:19-20 : “Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”
Manasa anao aho androany hivavaka toy izao : “Tompo o! Misaotra amin’ny Fitahianao eo amin’ny fiainako. Misaotra niantso ahy ho fitahiana ho an’ny hafa, ary hanana fahafahana mandeha isan’andro ao anatin’izany fitahiana izany. Mangataka Anao aho mba hanampy ahy hifehy ireo teniko, mba tsy hisy afa-tsy rano mamy no mikoriana amin’ny molotro, tenim-pitahiana, ho an’ny fiainako toy ny an’ny hafa. Amin’ny anaran’I Jesosy, Amen !”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!