Milamina ve ianao sa anaty ady ?
Indraindray isika dia mahatsapa ho tsy mendrika ny hahazo fiadanana.
Mazàna no ieritreretana fa ny fiadanana dia ny mifanohitra amin’ny ady, saingy nandritra ny fiainako manontolo dia nahafantatra aho fa tsy voatery ho izay foana no zava-mitranga. Ny fiadanana dia tsy ny tsi-fisiana ady. Raha ny marina, afaka mahatsapa fiadanana ianao na dia ao anatin’ny tafio-drivotra mafy indrindra aza.
Tsarovy ny andalana nojerentsika voalohany tamin’ity andiany ity. Nilaza izany fa ny Fanahy Masina dia mamokatra ao anatintsika fitiavan’Andriamanitra iray, izay miseho amin’ny “fiadanana mpandresy”? Fantatrao ve maninona Andriamanitra no miresaka “fiadanana mpandresy”? Manome fiadanana izay mandrombaka fandresena manoloana ny toe-javatra rehetra Izy. Tsy mamela ny tafio-drivotra mahery indrindra hanakorontana azy izy, satria fantany fa eo ny Tompo hampitony ny rivotra.
Manome antsika fiadanana sy fitsaharana manoloana ny zava-tsarotra ny fitiavan’Andriamanitra. Izany no ambaran’ny Baiboly : “Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:7). Natao ho anao ihany koa io fiadanana io ry namako. Te hampitobaka izany amin’ny fiainanao Andriamanitra, mba hahafahanao mampita azy amin’ny manodidina anao. Rehefa miaina miaraka amin’io fiadanana io ianao amin’ny fiainanao dia miova ny zavatra rehetra !
Te hiara-hivavaka amiko ve ianao izao ? « Tompo o, mangataka Aminao aho mba hameno ahy amin’ny Fiadananao, ilay Fiadanana marina izay mitondra fandresena manoloana ny toe-javatra rehetra. Tiako ho tena marina tokoa ny Fitiavanao eo amin’ny fiainako ka ny Fiadananao no vokatra mivantana avy amin’izany fitiavana izany. Misaotra Anao aho satria fantatro fa miasa eo amin’ny fiainako Ianao ary miaraka amin’ny Fanampianao dia hikoriana misimisy kokoa ato amiko ny Fiadananao. Amin’ny anaran’i Jesosy ! »
Mitondra anao ato am-poko aho.