Fantatrao ve io tsiambaratelo io?
Ry namako, ahoana ny fahitanao ny finoana ?
Volana vitsivitsy lasa izay, tao an-trano aho teo am-pandalinana ilay andalan-teny izay nisy an’i Jesosy niresaka tamin’ireo mpianany nanao hoe :“fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.” (Matio 17:20).
Teo am-pamakina io andininy io, dia nisy zavatra tena nanamarika ahy lalina izay mbola tsy hitako teo aloha. Fantatrao ve ny tsiambaratelon’ny voan-tsinapy ? Ny voan-tsinapy dia mahafantatra ny maha izy azy : tsy mampaninona azy na kely aza izy, satria fantany tsara fa ho tonga zava-maniry tena lehibe izy, voasoratra ao anatin’ny ADN-ny izany.
Mampatsiahy ahy ny tantaran’i Abrahama izany. Ny Baiboly dia milaza fa tsy niha-nalemy finoana izy na dia teo aza ny toe-javatra nisy nanodidina azy. Fa Abrahama kosa dia nino hatrany ny teny fampanantenana izay nomen’Andriamanitra hanome zanaka azy, na dia toa manohitra azy aza ny zava-drehetra. Novalian’Andriamanitra izany finoana izany ka notanterahiny ny fahagagana iray tsy mampino !
Androany, ianao mety manana eritreritra hoe ireo toe-javatra ireo dia tafahoatra loatra hany ka tsy hahitanao vahaolana intsony. Kanefa ry namako, izao indrindra no fotoana ananana finoana toy ny voan-tsinapy ! Ny finoanao dia tsy miankina amin’ny toe-javatra mitranga : ny toe-javatra miseho eo aminao no miankina amin’ny finoanao. Hinoy ary tonony ireo teny fampanantenan’Andriamanitra amin’ny fiainanao, satria miaraka amin’ny fanampiany, dia ho tonga ilay olona araka ny sitrapony ianao.
Afaka miaraka mivavaka amiko ianao ? “Tompo o, mangataka Aminao aho mba hanampy ahy hahatoky sy hino ny teny fampanantenanao amin’ny lafin-javatra rehetra, na inona vidin’izany. Toy ilay voan-tsinapy, aza avela hifototra amin’ny endrika ivelany aho na ny toe-javatra miseho. Te hibanjina Anao aho, ary hitombo isan’andro mba ho tonga ilay olona izay araka ny sitrakao ! Amin’ny anaran’i Jesosy, amena”