Mandraisa kahie sy penisilihazo !
Iray amin’ireo fanalahidy manan-danja indrindra hitako mba hahenoana tsaratsara kokoa an’Andriamanitra sy handalinana izay voaraiko dia ny fihazonana diarim-bavaka.
Ho ahy, ny diarim-bavaka dia kahie hanoratanao isan’andro ny tranga niainanao niaraka tamin’ny Tompo, ary koa ireo fanontanianao, ireo eritreritrao, ireo fijoroanao vavolombelona, ireo vavakao, ireo nofinofinao, sns. Tena ilaina izany satria amin’ny fanaovanao izany dia :
- Tsaroanao ny zavatra nolazainy taminao tamin’io andro io satria afaka mijery ireo voasoratrao ianao.
- Milaza izay ao am-ponao ianao.
Ny fanoratanao ireo zavatra niainanao dia manampy anao handalina izany sy hahita zavatra tsy hitanao taloha.
- Mieritreritra izay tian’ny Tompo lazaina aminao ianao sy ireo lesona azonao tsoahina amin’izany.
- Mamorona lisitr’ireo zavatra iainanao amin’ny andavanandro miaraka amin’ny Tompo ianao.
Nahazo fahazarana manoratra isa-maraina izay rehetra tonga tao am-poko nandritra ny fotoana fivavahako aho. Nandritra ny taona maro dia nanoratra lahatsoratra an-jatony mirakitra traikefa maro karazany aho. Tena tiako ny mamboraka ny foko amin’Andriamanitra, amin’ny fanoratana isa-maraina ! Ary amin’ny fanaovana izany dia mahazo lalindalina kokoa hatrany izay sitrapon’Andriamanitra amina lohahevitra samihafa aho.
Hoy ny Tompo tamin’ny mpaminany Habakoka : « Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fàfana, mba ho azon’ny mihazakazaka hovakiana aza.» (Habakoka 2:2)
Rehefa manoratra izay hasehon’ny Tompo ianao dia manome hery anao izany ary manampy anao handroso hatrany. Rehefa manoratra ny fahitana ianao dia manomboka mihetsika ny fonao.
Mamporisika anao aho hanao dingana hanoratra izay rehetra tonga ao am-ponao amin’ny fotoam-bavakao. Ho hitanao tsikelikely hoe ahoana ny fomba anampian’izany anao hihaino tsara izay tian’Andriamanitra lazaina aminao.
Mitondra anao ato am-poko aho.