Mihaino hira ve ianao amin’ny maraina ? 🎧

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mihaino hira ve ianao amin’ny maraina ? 🎧

Efa tojo toy izany ve ianao : mahatsiaro malahelo, fa rehefa avy nihaino hira, dia mahazo aina tsara indray avy eo ? Manana akony lehibe amin’ny fietseham-pontsika ny hira.
Isaky ny miala ao trano aho, dia tiako ny mametaka ilay fihainona hira amin’ny sofina iny dia mihaino ny hira voalahatra ao. Na toy ny ahoana ny fizotry ny tontolo andro : ny hira tsara dia mampiakatra ny moraly no mampisy aingam-panahy ihany koa. Tena mihaino hira foana aho. Na amin’izao fotoana izao aza, sady mihaino hira fiderana mahafinaritra aho no manoratra ho anao ! 🎼
Ary amin’ny fotoana andavanandro izay idirako eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, dia tena tiako loatra ny mihaino hira gadona “soaking”. Ho ahy manokana, dia tena manintona ahy io gadona io, manampy ahy hitodika amin’ny Tompo ary hibanjina Azy.
Izany ihany koa no niainan’ny mpaminany Elisa. Indray andro, nanafatra mpanakanto iray izy. Ny Baiboly milaza amintsika hoe, “Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’i Elisa ny tànan’i Jehovah” (2 Mpanjaka 3:15), nanomboka tamin’izay izy no naminany.
Eny, ry namako, ny fihainoana hira sy feon-kira ataon’ny olona tena voakasiky ny fanahin’Andriamanitra dia fitaovana tena tsara izay manampy antsika hifandray amin’Andriamanitra amin’ny fomba tena lalina. Ny sofim-panahintsika dia misokatra amin’Andriamanitra rehefa midera Azy isika !
Ry namako, androany, mivavaka aho mba ahafahanao mifaly ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiderana sy ny fihainona Azy miresaka ny fiainanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!