Fakan-drivotra izao! ⏰
Tadidinao ve tamin’ny ianao mbola kely? Izaho dia manana fahatsiarovana tsara ny fahazazako, indrindra tany am-pianarana.Tsaroako ny namako sy ny mpiara-mianatra tamiko taloha nifampizara taratasy kely. Io no nahafahana nifanakalo hafatra miafina teo amin’ny mpinamana akaiky indrindra. Indraindray izahay hitan’ny mpampianatra , dia nibedy anay izy, fa heveriko hoe tena ilaina ireny!😜 Ny fotoana nankafizinay indrindra dia ny fakan-drivotra: nihaona izahay ary nifampitantara ny tsiambaratelonay lehibe indrindra, sady milalao ihany. Tena sarobidy ny isa-minitra ary tsy maintsy nanararaotra izany izahay, vao niverina nianatra.Ry namako, tia antsika Andriamanitra ary mandefa hafatra kely ho antsika mandrakariva Izy. Izy ihany koa dia tia miresaka amintsika, ary manambara zavatra amintsika! Miresaka amintsika mandrakariva Izy, amin’ny fomba maro. Tsy misy zava-tsarobidy noho ny fiainana ny fotoanan’Andriamanitra, ny fotoanan’ny “fakan-drivotra” miaraka Aminy, izay ahatongavantsika hilaza Aminy ny tsiambaratelontsika, sy hihainoana Azy manambara amintsika ny tsiambaratelony. Tena fotoana fialan-tsasatra tokoa ireo!Nampanantena Andriamanitra : “Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, Ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana.” (Isaia 56:7). Eny, ry namako, tsy misy na inona na inona afaka hameno fifaliana lehibe antsika tahaka izany hoe tonga eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra izany. Fotoana hiainana fakan-drivotra avy amin’Andriamanitra izao!Manana fahazarana maka fotoana manokana miaraka amin’Andriamanitra ve ianao isan’andro? Raha mbola tsy nanao izany ianao, manomboka anio, dia mamporisika anao aho haka minitra vitsivitsy isan’andro mba hanatona ny Fanatrehany. Afaka manomboka amin’ny filazanao Aminy fotsiny izay ao am-ponao, izay tsapanao ary izay irinao. Ho hitanao fa arakaraka ny anaovanao azy no hahatonga ity fotoana ity ho tianao indrindra amin’ny tontolo andronao 😍.
Mahatsiaro anao aho ary mivavaka ho anao.