Eo anoloanao ny finoana !
Mitohy madroso ao anatin’ity andinin-tsoratra masina ity isika, ary androany, tonga eo amin’ny fotoana isika itenenan’ny mpanoratra hoe “mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy… » (Hebreo 12:2).
Tao anatin’ny andro vitsy lasa, efa hitantsika fa :
- Te hanao zavatra tsara eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra ;
- Mila manala ny vesatra rehetra sy ny ota rehetra isika mba hahatanterahan’izany ;
- Ary mihazakazaka mankany amin’i Jesosy, omban’ny fanehoana faharetana amin’ny andavanandro.
Inona anefa no mitranga rehefa reraka be isika, hany ka tsy mahalala izay tiantsika hatao intsony ? Inona no azontsika atao rehefa tsy ampy hery na antony manosika antsika hanao zavatra isika?
Mitoetra ao amin’izay zavatra eo anoloanao ny fanalahidy : izay jerenao no lasa moteran’ny fiainanao.
Atodiho any amin’ny fakam-panahy ny masonao, fa na te hiady mafy amin’izany aza ianao, dia tsy afaka ny tsy hilatsaka amin’izany. Atodiho any amin’i Jesosy ny masonao, fa na inona na inona fitsapana miseho eo anoloanao, dia tsy misy mahasaraka anao amin’ny fitiavany.
Izany no mahatonga ny Baiboly milaza amintsika manao hoe : « Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra… » (II Korintiana 3 :18)
Eny, arakaraka ny ijerenao bebe kokoa ny Tompo no hitiavanao bebe kokoa hiaraka Aminy!
- Miova ianao amin’ny alalan’ny fihaonanao mivantana Aminy.
- Mahatsapa bebe kokoa ny voninahiny eo amin’ny fiainanao ianao.
- Izy no tonga hery manosika ny fiainanao, antony manosika anao hanatanteraka ny zava-drehetra…
Jesosy no Loharanon’ny finoana, ary Izy no Ilay mahatanteraka izany isan’andro eo amin’ny fiainanao !
Ry namako, atopazo amin’i Jesosy ny masonao anio, ary avelao ny finoany hameno ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao! Hitondra anao any amin’ny anjara izay nomaniny ho anao Izy.