Ialao ny fakam-panahy !
Tena inoako fa hanatanteraka zavatra sarobidy eo amin’ny fiainanao Andriamanitra,
Omaly isika, nijery ny ampahany voalohany amin’ny andinin-tsoratra masina, izay miresaka momba ireo maherin’ny finoana, sy ny fomba nanehoan’izy ireo izay tian’Andriamanitra atao amin’ny fiainantsika amin’ny ankehitriny.
Mampahery antsika ilay andalana milaza hoe, satria efa itantsika izay notanterahin’Andriamanitra tamin’ny fiainan’izy ireo, “aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika…” (Hebreo 12:1). Araka izany dia vavolombelon’izay tian’Andriamanitra hatao amin’ny fiainantsika izy ireo.
Noho izany indrindra dia tsy afaka manohy izay tiantsika hatao ihany fotsiny isika : tsy afaka manaraka an’Andriamanitra, no sady, mbola tafalatsaka ihany ao anatin’ny fahotana fanaontsika, na hoe mijanona aminà toe-javatra tsy ankasitrahin’Andriamanitra.
Ny Baiboly dia milaza hoe “fa Andriamanitsika dia afo mandevona” (Hebreo 12:29). Tsy afaka miaina tsy araka ny fony isika. Raha tiantsika ny hiditra amin’ny lafin’ny finoana sy ny fahagagana, dia mila avelantsika ho dioviny amin’ny afony ny fahalotoantsika rehetra.
Miatomboka amin’ny fanapahan-kevitra ny zava-drehetra. Izany no mahatonga ity andalana ity manoro antsika izay tokony hataontsika dieny voalohany, mba hidirantsika amin’izany fiainam-pinoana sy fahagagana izany : andeha “HESORINA” izay mitambesatra sy ireo ota izay mamatotra antsika.
Mety manana eritreritra ianao hoe tsy ho afaka hanaisotra ny vato mavesatra izay manindry anao eo amin’ny tena zotram-piainanao andavanandro (olana arak’asa, trosa, fiarahana manahirana…), na ihany koa, mahatsapa ho toy ny andevon’ny ota, izay efa naharesy anao nandritry ny taona maro ianao.
Eny, afaka maneho ny fandresenao ianao manomboka izao.
Ry namako, eo am-pelatananao ny fandresena, efa nomen’i Jesosy anao izany !