Tsy misy fiverenan-dalana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Tsy misy fiverenan-dalana !

Ry namako, tena faly aho fa afaka miaraka isika, mba hitomboana hatrany amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
Efa nandre hira iray ve ianao izay milaza ny fiverenany hoe: “Mahitsy foana, tsy miverina”?
Rehefa mahatsapa ny herin’ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika dia lehibe tokoa ny fiovana ka misy feo mipololotra avy ao am-pontsika manao hoe : Aza miverin-dalana intsony.
Ny lasa dia tsy azo ampitahaina amin’ny fitiavana sy ny fiadanan’Andriamanitra izay niainantsika tamin’ny fotoana nihaonantsika Taminy tamin’ny voalohany. Manana fiainana vaovao isika izao ary tsy te hifantoka amin’ny taloha intsony.
Ny fomba tsara indrindra tsy hihemorana dia ny fanohizana ny fandrosoana. Amin’ny fotoana isika miato sy mijanona am-pitoerana dia mety ho tafaverina tsinahy amin’ny lasa … fa rehefa manohy mandroso isika dia tsy misy tokony hahiantsika.
Izany no antony mahatonga ahy te-hamakafaka miaraka aminao ireto singa manan-danja vitsivitsy ireto, izay hita anaty andinin-tsoratra masina manokana ary mamporisika ahy handroso hatrany. Ao amin’ny Hebreo 12 : 1-2 no hahitana io andininy io :
“Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.”
Inona ny aingam-panahy entin’izany adinin-tsoratra izany ho anao ? Ho ahy manokana, ny zavatra tonga ao an-tsaiko voalohany dia :

  • Mitokàna ianao
  • Mihazakazaha
  • Mibanjina an’i Jesosy

Tena manome aingam-panahy ahy zany! Mino aho fa tena hanome aingam-panahy anao koa izany.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!