Fanasana natao ho anao manokana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Fanasana natao ho anao manokana !

Manantena aho fa ity andiana foto-kevitra natokana ho an’ny fahononana ity dia mahasarika anao no sady mampianatra anao be be kokoa mba hanana fahononana amin’izay efa anananao! =)
Iray amin’ireo andian-tsoratra masina anisan’ny tiko indrindra ao amin’ny Baiboly ity ohabolana izay milaza hoe : “Ratsy avokoa ny andron’ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.” (Ohabolana 15.15).
Tena tiako ilay hevitra fonosin’ny hoe misy fety mitohy hatrany ! Marina tokoa fa ny olona izay mahavita mihazona ny fahononana, na inona na inona toe-javatra miseho, dia afaka mianoka feno ny fiainana, tsy mihato.
Ny andro tsirairay dia fanomezana, fotoana ahafahana manandrana ireny hamamin’ny fiainana kely andavan’andro ireny, ireny fotoana tsotra, feno hatsarana sy tena lalina ireny.
Izaho manokana dia mandray ny tenako ho toy ny olona afa-po, satria, nianatra nankafy ny fotoana rehetra, indrindra ireo tena sarotra nandritry ny androm-piainako aho.
Mikatsaka ny fon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra, ary afaka mahita ny hatsarana ao anatin’ny fotoana rehetra izay lalovako aho.
Indraindray izany dia itako ao anatin’ny andro iray mahafinaritra, na ao anatin’ny teny mahafinaritra avy amin’ny olona mifanena amiko, na koa, ao anatin’ny fiadanana izay tsapako fotsiny ihany noho ny fahalalako fa Andriamanitra dia miaraka amiko, amin’ny fotoana rehetra…
Ry namako, misy fanasana miandry anao isan’andro, na dia eo anivon’ny fotoana sarotra indrindra izay mety ho lalovanao aza (jereo Salamo 23.5).
Manàtona ny latabatra androany ! Ary, amin’ny fo tsotra sy ravo toy ny an’ny ankizy, mifalia amin’ny hatsaran’ny Tompo aminao. Voakasika manokana ny fiainanao rehefa manao izany ianao ! =)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!